Dans la mme rubrique

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

30/03/2020

Azo tsaboina tsara ny Coronavirus ka tsy tokony hampatahotra, fa ny fiparitahany be no manahirana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo.

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

Hamaky ny tohiny...

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

30/03/2020

Nanomboka ny sabotsy teo ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpamily fiara karetsaka sy taxi-be ary ireo mpanampy azy eto amintsika tafiditra ao anatin’ilay plan d’urgence sociale,

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

Hamaky ny tohiny...

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

30/03/2020

Noho ny fepetra noraisina amin’ny tsy fahafaha-mivoaka, dia tsy nisy ny famoriam-bahoaka amin’ny fahatsiarovana ny 29 martsa.

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

30/03/2020

Nanaovan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolotsaina tarihin-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo fampitandremana na “Lettre de mise en demeure” ny haino

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

Hamaky ny tohiny...

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”

28/03/2020

Namoaka fanambarana ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena manoloana ny aretin-mandoza “coronavirus” izao. Voalohany,mbola manamafy hatrany

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Niantso fahamatorana ho an’ireo sehatra tsy miankina

27/03/2020

Aoka isika mba ho matotra, hoy ny minisitry ny atitany, Tianarivelo Razafimahefa, omaly mantsy ireo sehatra tsy miankina mbola voatery manohy ny fampiodinana

Minisitry ny atitany Niantso fahamatorana ho an’ireo sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Fahafahan’ny mpanao gazety mivezivezy Nifampiresaka tamin’ny minisitera ny OJM

27/03/2020

Malalaka manomboka izao ny mpanao gazety amin’ny fikaroham-baovao, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM),

Fahafahan’ny mpanao gazety mivezivezy Nifampiresaka tamin’ny minisitera ny OJM

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Air Madagascar Hisolo toerana ny Air Austral ny Groupe Rajabali ?

17/02/2020

Manomana ny fialany madiodio amin’ny fiaraha-miombon’antoka ara-stratejika amin’ny kaompania Air Madagascar ny kaompania

 

 

 

Renioney Air Austral, raha ny nambaran’ny loharanom-baovao vahiny iray dia ny gazety boky Jeune Afrique nivoaka ny 14 febroary lasa teo. Tsy te hampiasa ny volany ao anatin’ny Air Madagascar intsony ity kaompania ity raha nitana ny 44% tamin’ny renivola araka ny fifanarahana 3 taona lasa izay, ka ny CNaPS sy ny Groupe Rajabali, no voatondro fa nandrotsaka 12 tapitrisa euros tao amin’ny Air Austral Invest tamin’izany fotoana. Ankehitriny, tombanana hiditra ho tompona renivola ao amin’ny Air Madagascar ny Groupe Rajabali rehefa lasa eo ny Air Austral raha arak’ity vaovao navoakan’ny Jeune Afrique ity. Raha halalinina ny resaka, tsy te hampiasa ny volany ao amin’ny Air Madagascar ny Air Austral kanefa mpiara-miombon’antoka dia mitady lalana hivoahana. Re siosio moa fa io volan'ny CNaPS narotsaka tany amin’ny Air Madagascar io no voaresaka tamin’ny Filankevi-pitantanana ny janoary lasa teo . Iny no niitatra namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara (IST) ho an’ny Tale jeneralin’ny CNaPS teo aloha  Arizaka Rabekoto Raoul  izay ambara fa nibizina tamin’ny volan’ny CNaPS, raha ny siosion-dresaka. Raha ny resaka fahapotehan’ny Air Madagascar, izay tsy maintsy nitadiavana mpiara-miombon’antoka ara-stratejika hanarina azy, dia vokatry ny tsy fahadiovan’ny fitantanana. Anisan’izany ny tamin’ny 2011 fotoanan’ny tetezamita nampidirana fiaramanidina Airbus A340-300 efa maty kapoka roa avy tamin’ny Frantsay. Atoa Andry Rajoelina no nanao andrana voalohany, ary teo amin’ny sidina faharoa dia efa nisy simba ny « reacteur ». Isika indray no nohelohin’ny Frantsay handoa onitra 46 tapitrisa euros 7 taona taty aoriana ho hofan’ny fiaramanidiny izay toa tsy nijeren’ny fanjakana tamin’izany resaka kalitao, fa mety ny bizina no nahamaika.Izay ny zava-misy fa dia ho hita eo ny mety ho fivoaran’ity raharaha Air Madagascar ity.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana