Dans la mme rubrique

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

02/04/2020

Tsy mety ilay mampiasa ity fanomezana ity ho an’ny fomba amam-panao politika tsy madio. Mila manaraka tsara ny fepetra napetraky ny fanjakana,

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

Hamaky ny tohiny...

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

02/04/2020

Sokajin’olona miisa 14 eo no nambaran’ny fanjakana fa hotolorana tohana ara-tsosialy manokana, ka isan’izany ny mpamily sy resevera ho an’ny taksibe,

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny serasera Haino aman-jery Radio katolika iray norahonana hakatona

02/04/2020

Nahazo fandrahonana avy amin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Talem-paritry ny serasera sy ny Kolontsaina any Vatovavy Fitovinany ny Radio Katolika Mazava Atsinana na ny Radio Rakama.

Tontolon’ny serasera Haino aman-jery Radio katolika iray norahonana hakatona

Hamaky ny tohiny...

CNARP Tohanana ara-pitaovana mba hamokatra fanafody betsaka kokoa

02/04/2020

Misy ireo fanafody novokarin’ny Cnarp ( Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques) manasitrana ny sotrir’aretina mifanakaiky

CNARP Tohanana ara-pitaovana mba hamokatra fanafody betsaka kokoa

Hamaky ny tohiny...

Ketrika.com Efa manao « livraison » manakaiky hatrany ny mpanjifa

31/03/2020

www.ketrika. com fantatry ny besinimaro amin’ny anarana hoe « ketrika » dia tsy mena mitaha amin’ny hafa tokoa, raha ny eo amin’ny sehatry ny varotra an tserasera na ny « vente en ligne » no resahana.

Ketrika.com Efa manao « livraison » manakaiky hatrany ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Fitokonana sy fitakiana Mafana ny toe-draharaha any amin’ny faritany

31/03/2020

Nilahatra nitety tanàna ary avy eo nitokona nanoloana ny lapan'ny tanànan'i Toamasina avokoa omaly maraina ireo mpitondra tuk tuk any an-toerana.

Fitokonana sy fitakiana Mafana ny toe-draharaha any amin’ny faritany

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery Manabe fa tsy mampiala voly fotsiny

31/03/2020

Amin` izao fihibohana izao dia ny haino aman-jery, indrindra ny televiziona, no sakaizan` ny isan-tokantrano.

Haino aman-jery Manabe fa tsy mampiala voly fotsiny

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fikambanana Tandroharena Tsy mety ny « ascenseur » ao amin’ny lapan’i Manjakamiadana

19/02/2020

Nanambara ny avy eo anivon’ny Tandroharena na fikambanan’ireo mpikaroka momba ny vakoka sy lova ary harem-pirenena fa voasokajy ho anisan’ny vakoka ny rovan’i Manjakamiadana.

 

 

Tsy misy maha vakoka azy raha kitihina amin’ny toetrany taloha. Mitahiry ny tantaram-pirenena iny toetra nanandratana azy ho vakoka iny. Azo atao ny manarina ny vakoka fa tsy tokony hatao kosa ny mikitika na manavao izany fa mandiso ny tantaram-pirenena, hoy hatrany ny Tandroharena. Raha atao hoe vavolombelon’ny tantara aza ny vakoka dia tsy azon’ny saina ekena mihitsy ny fametrahana « ascenseur » ao amin’ny lapan’i Manjakamiadana, hoy izy, ireo satria ny haitao taloha, ohatra, tazomina nefa ny fandrosoana vahiny fihinina. Sivilizasionina mifandrirotra sy kolontsaina mifangaro tsy afa-miaraka izany. Tantara hosoka ka manohy ny lalana nosokafan’i Gallieni tamin’ny fanjanahantany toy ny sary velona mitory ny toetsaina voazanaka nanabeazana ny malagasy ankehitriny ny toy izany, hoy izy ireo. Tsy vao izao no nisy antso avo ny amin’ny tsy tokony hikitihana vakoka toy izao fa ankoatr’ity fikambanana voalaza farany ity dia efa niezaka nanakana izany fikitihana vakoka izany koa ny Amis du patrimoine fony nikitika ny totohabaton’Antaninarenina sy Ambondrona ny fitondrana tetezamita.

J. Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana