Dans la męme rubrique

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

03/04/2020

Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara. Sahirana amin` ny ateraky ny fepetra tsy maintsy hajaina ho fisorohana sy ho fisakanana ny tsy hiparitahan` ny valan`aretina “coronavirus”.

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

03/04/2020

Maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna amin` izao fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amintsika izao. “Maninona ny olona no tsy manaraka ny

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

Hamaky ny tohiny...

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

03/04/2020

Feno omaly maraina ny fepetra maha-rivodoza ireo tangoron-drahona any amin’ny faritra avaratry ny nosy iny.

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

02/04/2020

Tsy mety ilay mampiasa ity fanomezana ity ho an’ny fomba amam-panao politika tsy madio. Mila manaraka tsara ny fepetra napetraky ny fanjakana,

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

Hamaky ny tohiny...

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

02/04/2020

Sokajin’olona miisa 14 eo no nambaran’ny fanjakana fa hotolorana tohana ara-tsosialy manokana, ka isan’izany ny mpamily sy resevera ho an’ny taksibe,

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny serasera Haino aman-jery Radio katolika iray norahonana hakatona

02/04/2020

Nahazo fandrahonana avy amin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Talem-paritry ny serasera sy ny Kolontsaina any Vatovavy Fitovinany ny Radio Katolika Mazava Atsinana na ny Radio Rakama.

Tontolon’ny serasera Haino aman-jery Radio katolika iray norahonana hakatona

Hamaky ny tohiny...

CNARP Tohanana ara-pitaovana mba hamokatra fanafody betsaka kokoa

02/04/2020

Misy ireo fanafody novokarin’ny Cnarp ( Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques) manasitrana ny sotrir’aretina mifanakaiky

CNARP Tohanana ara-pitaovana mba hamokatra fanafody betsaka kokoa

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fitsarana sy Fanabeazam-pirenena Voatendry ireo sekretera jeneraly vaovao

20/02/2020

Mpiasam-panjakana ambony miisa 2 izay heverina fa hitazona toerana tena saropady eto amin’ny firenena no voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 19 febroary.

 

 

 

Eo aloha Atoa Imbiki Herilaza, izay voatendry ho sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fitsarana. Mpitsara, mpampianatra ihany koa izy ary efa nitana io andraikitra io teo anivon’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika. Zanaky ny minisitry ny fitsarana teo aloha Imbiky Anaclet izy.Voatendry ho sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arakasa koa Atoa Herimanana Razafimahefa, anisan’ireo mpanohana mahafatrapo ny filoha Rajoelina tamin’ny propagandy, olon’ny MAPAR, efa CST tamin’ny fitondrana tetezamita. Nialoha izay dia anisan’ireo lohandohan’ny mpisorona tao amin’ny antoko Grad Iloafo izy ary manampahaizana momba ny toekarena. Ankoatr’izay dia voatendry ho sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fampianarana  ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika Atoa Randriamasitiana Gil Dany. Nisy ihany koa ny fanendrena lehibena distrika miisa 5 nandritra ity filankevitry ny minisitra ity ary fanesorana tompon’andraiki-panjakana ambony maromaro ihany toy ny misahana ny Centre Régional des OEuvres Universitaires Antananarivo (CROUA).

 

 

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana