Dans la mme rubrique

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

07/04/2020

Miady amin’ny zavatra tsy fantatra sy tsy nampoizina, izay mila fahakingana. Tsy sanatriavin’ny vava mitady toerana sy mitady fahefana aho, fa te hanampy, te hizara traikefa, hoy i Marc Ravalomanana omaly tamina fandaharana manokana.

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

Hamaky ny tohiny...

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

06/04/2020

Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

Hamaky ny tohiny...

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

06/04/2020

Ny sabotsy lasa teo no nandray ireo filoham-piangonana eo anivon` ny FFKM, sy ireo filohanà andrim-panjakana,

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

06/04/2020

Fanalam-baraka, manosika ny olona tsy hitia ny filoham-pirenena no ambara fa vesatra hanenjehana an-dRahelisoa,

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

 

izay rafi-pitsarana manokana afaka hitsara ireo olona ambony toy ny filohan’ny Repoblika, praiminisitra, lehiben’ny andrim-panjakana, minisitra, raha voamarina fa nanao hadisoana goavana teo amin’ny andraikitra nosahanin'izy ireo teto amin’ny firenena. Nanatrika izany ny minisitry ny fitsarana Atoa Andriamahefarivo Johnny Richard sy ireo tompon’andraikitra maro ao anatin’ny governemanta, ny filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, ny governoran’Analamanga Hery Rasoamaromaka, ny ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina,…  12 ny dosie avy amin’io rafitra io efa any Antenimieram-pirenena hatramin’ny taona 2019, ary iray  ho an’ny taona 2020, izay eo am-pandinihana amin’izao fotoana. Tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra noraisina, hoy ny tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny HCJ Andriantianarivelo Réné José. 25 ny dosie hatramin’ny nitsanganan’ny HCJ. Hiankina amin’ny fepetra voatondron’ny lalàna sy ny lalàmpanorenana no ahafahana manenjika ireo olona voarohirohy izay tompon’andraiki-panjakana ambony. Raha tsorina dia minisitra teo aloha no voahenjika ary nisy ny efa natao fanadihadiana teny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly. Fanodinkodinam-bolam-panjakana, ahiahina famoronana kaontim-bola, araka ny tsiliantsofina re no vesatra hanenjehana ireo manampahefana teo aloha ary sarotsarotra ihany ny fiarovan-tena amin’izany, hoy ny mpahay lalàna nanontaniana   .Na izany aza, tsy misy azo atao raha tsy ekena eny anivon’ny antenimieram-pirenena izay fehezin’ny hery politika momba ny fitondrana amin’izao fotoana ny volavolam-piampangana. Hisy ny tranonkala azon’ny rehetra jerena ho an’ny HCJ. Hitsangana ao anatin’ny fivoriana ara-dalàna manaraky ny antenimiera kosa ny vaomiera manokana handinika ireo dosie, araka ny fanazavan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. 

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana