Dans la mme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

02/04/2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

Hamaky ny tohiny...

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...


Politique

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

24/02/2020

Nambaran’ny gazety Frantsay Le Monde fa nampitombo ny fanampiany an’i Madagasikara i Lafrantsa, saingy tsy hamerina velively ny Iles Eparses.

 

 

 Io ilay valopy 240 tapitrisa Euros, izay fanampiana ny antsasany, ary trosa arahina zana-bola ny antsasany. Tao anatin’ny fihaonana mikaton-trano nandritra ny fahatongavan’ny lehiben’ny diplomasia Frantsay Jean Yves Le Drian teto Madagasikara, dia efa nilaza ity farany, fa tsy mandefitra amin’ny fiandrianany izany i Frantsa fa misokatra hatrany kosa amin’ny fiaraha-miasa toy ny amin’ny sehatry ny jono sy ny fiarovana ny tontolo iainana na koa ny fandriampahalemana i Lafrantsa. Midika io fa ny fiaraha-mitantana izany no mety azo eritreretina kokoa, kanefa mbola midingin-drambo aza i Lafrantsa. Maniry ny hampiharana ny fanapahan-kevitry ny ONU tamin’ny taona 1979 ny fanjakana Malagasy, saingy tsy afa-manoatra hatreto. Asa izay ambaran’ny Filoha rehefa tonga ny 26 jona satria mialoha izay ny fampanantenana hivoahan’ny fehin-kevitra. Etsy an-kilany, nofoanan’i Lafrantsa kosa ny fahazoan-dalana hitrandraka solika ataon’ny orinasa Amerikanina Marex Petroleum ao amin’ny Nosy Juan de Nova, ary efa nampahafantarina an’io minisitry ny Transition écologique Frantsay Elisabeth Borne sy ny minisitry ny toekarena Bruno Le Maire. Noho ny famadihana ho « Réserve naturelle » no anton’io.

Fanampiana sa fananararaotana ?

Etsy an-kilany, miezaka mitazona ny toerany eto Madagasikara ny Frantsay. Tena manana tombontsoa betsaka harovany eto izy amin’ny alalan’ireo orinasany goavana sy matanjaka. Toa nohararaotina ny fitondrana Malagasy, izay manana olana hatrany tamin’ny resaka famatsiam-bola, saingy tsy dia nahita vahaolana. Ny kiana mahazo ny mpitondra mirarakompana satria tsy arakaraka ny fampanantenana ny zava-misy noho ny tsy fananam-bola. Efa nanao pi-maso tamin’ny Rosianina, toa mitady lalana any amin’ny sinoa,… dia iny ny frantsay fa nirotsaka an-tsehatra, toa tonga tsy nantsoina tampoka nitondra vahaolana ara-bola. Ny AFD anefa no tena hitantana an’io, raha ny fahitana ireo mpandraharaha Frantsay ao anatin’ny MEDEF ihany no nanakiana ny fandriampahalemana ara-pandraharahana eto, ka tsy dia nisy vokany ny fitsidihan’izy ireo teto ny oktobra 2019.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana