Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Trano lehibe iray ao Ambodivoanjo-Ivandry Mivarina any amin’ny mpifanila vodirindrina ny rano malotony

24/02/2020

Mibosesika any an-tanànan’ny mpifanila vodirindrina aminy ny rano maloto avy amin’ny tanàna lehibe iray ahitana tranobe misy rihana maromaro ahofa eny Ambodivoanjo-Ivandry.

 

Toy ny paompy vaky, mifantsitsitra eny anelakelaky ny rindrim-bato amin’ny tamboho ny rano miloko fotsy mamoaka fofona maimbo arahina fotaka mena ka mando lava sy feno lomotra vokatr’izany ny rindrina, hoy Atoa Rabesoa mivady raha nitantara ny fahoriany tamin’ny mpanao gazety. Lasa mihorohoro andro aman’alina izy ireo ndrao hihotsaka fanindroany any amin’ny tanànany indray io rindrina mampisaraka azy ireo sy ireto mpifanila vodirindrina aminy ireto. Efa efa-taona izay no niainan’izy ireo izany satria efa nianjera mihitsy ilay tamboho ary efa niakatra fitsarana in-droa ny raharaha. Nakana teknisianina teny amin’ny tribonaly ny raharaha ary efa nivoaka ny didy tamin’ny taona 2018 fa tokony hanamboatra ny simba ny tompon’ity tranobe mifanila vodirindrina ity. Ankoatra izay, didin’ny lalàna hanamboatra ny fantsona fanarian-drano ao aminy tsy hivoaka aty aminay izy ireo, hoy hatrany Atoa Rabesoa.

Vita amin’ny ampahany ny fanamboarana 

Tafatsangana ny tamboho nianjera, nandalotra ny elakelaky ny rarivato izy ireo saingy mbola miverina mibosesika amin’ny rindrina hatrany ny rano hatramin’izao. Araka izany, tsy mbola vita ny fanamboarana ny fantsona manary ny rano maloto nodidin’ny lalàna fa tokony hamboarina. Manoloana io trangan-javatra io mihitsy no hanaovan’ireto olona lasibatra ireto antso avo amin’ny tompon’andraikitra fa toa mihainohaino fotsiny tsy mitady vahaolana amin’izy tokony hanariany maloto avy ao aminy ny tompon’ilay tranobe mifanila vodirindrina taminy. Efa nampatsiahy azy ireo hatrany anefa izy mivady ireto, araka ny nambarany. Vao ny alatsianainy 17 febroary teo no nandefa taratasy tany amin’ilay « architecte » tompon’andraikitra amin’izany saingy tsy misy valiny. Ny zava-misy mantsy dia orana kely mirotsaka dia efa niteraka rano be mibosesika marobe teny anelanelan’ny rindrina indray, kanefa ao anaty vanim-potoanan’ny fahavaratra isika ka manahy mafy amin’ny loza mety hitranga izy ireo sy ny mpanofa trano ao aminy, ankoatra ny loto sy fofona mivoaka. Raha nanontaniana mikasika io raharaha io moa ny tompon’andraikitra tao amin’ilay trano lehibe mifanolo-bodirindrina amin’izy ireo, dia nanambara fa ny mpisolovava ny tompon-trano no afaka mitondra fanazavana mikasika izany.  

 

Marigny A. 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana