Dans la męme rubrique

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

29/09/2020

Nanomboka omaly 28 septambra-04 oktobra ny hetsika fanentanana ny daholobe hiompy sy hanao vaksiny ny alika, ka isan’ny miantsoroka sy manome vahana izany ny Minisiteran’ny fahasalamana. Isan’ny paikady misoroka aretina maro ho an’ny alika ny famosirana azy.

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tranga hafahafa tetsy Anosibe Lehilahy roa maty teny an-kalamanjana

27/02/2020

Hafahafa ny toe-javatra niseho teny Anosibe omaly. Lehilahy roa samy hafa no samy maty tamin’ny fomba mampiahiahy.

 

Tsy fantatra mazava izay nahazo azy fa samy teny teny an-kalamanjana ary tanàna iray satria samy teny Anosibe. Asa na noho ny hanoanana diso tafahoatra na aretina na mety ho fahapoizinana ara-tsakafo. Vao niely ireo tranga roa ireo, dia nisy resaka hafa nandeha fa ny talata lasa teo, dia efa nisy olona iray ihany koa namoy ny ainy tampoka teny an-toerana, teo akaikin’ny toeram-pivarotana fanafody malaza iray. Fifandrifian-javatra ihany ve hoe toerana sy tanàna iray no nisehoan’ny tranga ? Vao tapa-bolana ihany koa izay no nisiana lehilahy heverina ho maty ho azy hita teny Namontana. Tena mampalahelo satria toa tranga sy fahafatesana maneho fa mety maty noho ny fahasahiranana sy ny tsy fananana ireny satria na ny hanin-kohanina aza tsy hita sy manahirana amin’izao fotoana izao. Tena sahirana sy mahantra rahateo ny Malagasy. Na izany aza, tokony hosokafana ny fanadihadiana mikasika ireny faty miampatrampatra ireny sao sanatria misy ny areti-mandoza mandripaka olona. Vanim-potoana mampiely ny valan’aretina rahateo ny fotoanan’ny orana tahaka izao, raha tsy hilaza afa tsy ny pesta, izay efa misy ny toerana voalaza fa nahitana izany tahaka ny any Antanifotsy. Mila fandraisana andraikitra mafonja sy haingana ny toe-javatra tahaka izao sao hitera-doza ho an’ny vahoaka efa sahirana sy trotraky ny fahantrana lalina.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana