Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Coronavirus Mailo izao tontolo izao

27/02/2020

Hatreto dia tsy mbola nahitàna trangan`aretina « Coronavirus » eto Madagasikara, araka ny vaovao ofisialy. Nohamafisina ny fepetra fitandremana eny anivon`ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo malagasy.

 Ny “Aviation Civil de Madagascar” (ACM) dia nampitombo ny isan'ireo mpandraharaha miantoka ny fanaraha-maso miditra eto amintsika. Mihamafy hatrany ny fifandrandrasana satria nivoatra ny toe-java-misy eto amin'izao tontolo izao. Ireo fepetra ireo dia fomba fanao saingy mampametra-panontaniana ihany raha ho ampy izany raha jerena ny vaovao any ivelany amin'izao fotoana izao. Ireo haino aman-jery iraisam-pirenena, tato ho ato, dia nilaza betsaka momba izay mitranga any Italia. Ny fepetra hentitra noraisin'ny manampahefana italiana dia naneho hevitra betsaka  ary niteraka ahiahy tamin'ny hevitry ny firenena frantsay, izay manahy ny maha akaiky ireo firenena roa tonta. Mitandrina mafy i Frantsa, ary nosokafana ireo hopitaly rehetra, saingy ny minisitry ny fahasalamana vaovao dia te hanome toky ary nanamafy fa tsy misy ahiahy amin`izao fotoana izao. Na izany aza, maro ireo manampahaizana manokana no milaza fa ny Covid-19 dia efa tafiditra ao Frantsa. Nasongadin'izy ireo fa tsy azo antoka ireo arofanina. Hatreto, tsy mbola mandripaka ity valanaretina ity saingy mitombo isa hatrany ireo olona mitondra ny tsimokaretina. Miisa 81 191 ireo ahitana soritr’aretina, 2 768 ireo namoy ny ainy, roa tao Frantsa. Tsy azo ihodivirana ny fifamezivezana eo amin`ny firenena iray saingy mitombo ny fanafoanana sidina. Tsy i Madagasikara no misedra izany fa misy fahatsapana hoe “tsy azo ihodivirana”. Manontany tena ny sasany raha tsy azo atao intsony ny fisorohana ny fihanaky ny valan'aretina. Mihetsika ny eo amin`ny sehatra iraisam-pirenena ary manao izay ho afany ireo mpitsabo sy mpikaroka mba hikarohana fanafody sy fanaovana vaksiny haingana araka izay azo atao.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana