Dans la mme rubrique

Governemanta Nesorina ny minisitry ny fanabeazana

05/06/2020

Voahozongozona tamin` ny sezany taorian` ny fisian` ny resaka “Bonbon” omena ireo mpianatra rehefa avy misotro tambavy CVO mitentina 8 miliara ariary ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa (MENETEP),

Governemanta Nesorina ny minisitry ny fanabeazana

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Tezitra mafy amin-dRajoelina i Toamasina

05/06/2020

Mafana ny toe-draharaha ao Toamasina, ary tsapa ho manana alahelo na tsy faly amin’ny fanjakana sy ny Filoha Rajoelina ny vahoaka any an-toerana.

Raharaham-pirenena Tezitra mafy amin-dRajoelina i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Tsy iray ihany ny minisitra be afera…

05/06/2020

Nesorina tamin’ny toerany izany iny ny minisitry ny fanabeazana Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay afera “bonbon sucette” mitentina 8,4 miliara ariary.

Governemanta Tsy iray ihany ny minisitra be afera…

Hamaky ny tohiny...

Raraharaham-pirenena Mamofompofona fipoahana lehibe…

05/06/2020

Mafampana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Eo ny krizy ara-toekarena, fa ny krizy ara-tsosialy sy ara-politika ihany koa mandindona mafy.

Raraharaham-pirenena Mamofompofona fipoahana lehibe…

Hamaky ny tohiny...

Raharaha any Toamasina Manazava ny governora

05/06/2020

Niverina amin’ny laoniny tanteraka ny fiainan'ny vahoakan'ny Toamasina taorian'ny savorovoro nisy tany an-toerana ny alarobia teo noho ny nahitana ilay tovolahy tsy salama izay tsy fantatra izay nahazo azy, taorian'izay raha ny nambaran'ny governoran'ny faritra atsinanana, Richard Theodore Rafidison.

Raharaha any Toamasina Manazava ny governora

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanamasoandro naato Niarahaba ny vahoakan’Ambohidrimanjaka ny RMDM

05/06/2020

Taorian’ny nahafantarana fa naaton’ny fitondram-panjakana ny fanatanterahana ilay tetikasa Tanamasoandro eny Ambohitrimanjaka izay nikasan’izy ireo

Tetikasa Tanamasoandro naato Niarahaba ny vahoakan’Ambohidrimanjaka ny RMDM

Hamaky ny tohiny...

Vondrona parlemantera IRD Naivo Raholdina no lasa mpitondra teny ?

05/06/2020

Raha ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel voafidy tany amin’ny distrikan’Ikongo tany aloha tany no mpitondra teny mahazatra ny Vondrona

Vondrona parlemantera IRD Naivo Raholdina no lasa mpitondra teny ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antoko Otrikafo « Andao ravana ny CENI »

04/03/2020

Tsy zava-baovao teto amin’ny firenena ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo.

 

 

 Raha hiandrandra ny CENI hanatontosa fifidianana tomombana isika dia hanonofy hatrany, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny antoko, Elia Rabevahiny. Ny naha hafa kely ny tamin’ity fotsiny dia io kaomisionina misahana ny fifidianana io mihitsy no nilaza izay tsy fahatomombanana tao anaty fifidianana izay. Fotoana tokony hakantsika lesona izao satria afaka 5 taona isika dia hanao fifidianana indray. Tena ilaintsika marina ve ny CENI ? Rafitra napetraky ny sehatra iraisam-pirenena aty amin’ny tany voazanaka io ahafahany miditra aty fa aza adinoina. Raha tiana ny hiala amin’izay fitsabahan’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny raharaham-pirenentsika izay, hoy hatrany ny Otrikafo, dia andao ravana ny CENI. Andao haverina amin’ny minisiteran’ny atitany ny fikarakarana, hoy ny fanazavana.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana