Dans la mme rubrique

Sehatra tsy miankina ara-dalàna Manjavozavo ny fanampian’ny fanjakana

05/06/2020

V Hatreto dia tsy hita mazava ny fanampiana ataon’ny fitondram-panjakana ny sehatra tsy miankina anatin’ny ara-dalàna hoy ny filohan’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Frantsa-Madagasikara (CCIFM),

Sehatra tsy miankina ara-dalàna Manjavozavo ny fanampian’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

EDBM “Ilaina ny fampiroboroboana ny famoronana asa”

05/06/2020

Hihena eo amin` ny 30% ny fampiasam-bola maneran-tany vokatry ny aretina raha ny nambaran` ny tale jeneralin` ny EDBM.

EDBM “Ilaina ny fampiroboroboana ny famoronana asa”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny FIVMPAMA “Mila tosika ny enti-manana hanodinana ireo orinasa”

04/06/2020

“Zava-dehibe ny fanambarana nataon` ny filoham-pirenena ny alahady teo mikasika ny fihaonan` ny sehatra tsy miankina amin` ity faran` ity herinandro ity.

Filohan’ny FIVMPAMA “Mila tosika ny enti-manana hanodinana ireo orinasa”

Hamaky ny tohiny...

Taotrano sy asa vaventy 50%-n'ireo mpandraharaha no efa nampiato ny asa

04/06/2020

Nisy ny fivoriana sy ny fifanakalozana nijerevana ny olana atrehan’ ireo mpandraharaha misehatra amin’ny taotrano sy ny asa vaventy tetsy amin’ny Hotely IBIS Ankorondrano omaly.

Taotrano sy asa vaventy 50%-n'ireo mpandraharaha no efa nampiato ny asa

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany Ny fanjakana indray no ananan’ny QMM 92 tapitrisa dolara

03/06/2020

Manan-karena an-kibon’ny tany ny firenena ka nahoana isika no mahantra? Hitohy tahaka izany foana ve ny fitantanana ny firenena sa misy fotoana tsy maintsy handinika sy hametraka paiakady vaovao?

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany Ny fanjakana indray no ananan’ny QMM 92 tapitrisa dolara

Hamaky ny tohiny...

Fizahan-tany Mikatso tanteraka

03/06/2020

Mamerina ny antso efa nataony hatramin` izay ireo mpisehatra amin` ny fizahan-tany manoloana ny olana goavana sedrain` izy ireo vantany vao nanomboka ny krizy ara-pahasalamana.

Fizahan-tany Mikatso tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Dr jean-Louis Robinson “Hanampy an’i Madagasikara hiala amin’ny fahantrana i Sina”

03/06/2020

Tontosa tamin` ny herinandro lasa teo ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena entim-bahoaka (ANP) any Sina.

Dr jean-Louis Robinson “Hanampy an’i Madagasikara hiala amin’ny fahantrana i Sina”

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Tsy fisian’ny asa Voatery miharitra ny tsy rariny ireo mba manana asa

04/03/2020

Notanterahina teny Antaninarenina, iray volana lasa izay, ny atrikasa nandinihana ny lalàna lasitra mifehy ny mpiasa an-trano sy ireo mpiasa mila ravinahitra any ivelany.

 

Zava-dehibe ny hisian’io lalàna io mazava tsara, satria iaraha-mahalala fa vitsy dia vitsy amin’ireny mpiasa ireny no mba misitraka ny zony, na tena voahitsakitsaka mihitsy ny zo maha olombelona azy. Fa na ireo mpiasa amina orinasa heverina ho ara-dalàna aza dia mbola maro ihany koa no miaina karazana herisetra sy fanararaotana, izay mazàna no iafiana fotsiny, noho ny tahotry ny ho very asa. Ny voalohany mampitaraina an’ireo mpiasa dia ny tsy fisitrahan’izy ireo ny zony momba ny fiantohana ara-tsosialy. Betsaka tokoa mantsy ny orinasa no tsy mandoa izany. Misy ireo mpampiasa no mandoa ihany, fa karama ambany noho ny nifanarahana no ambarany amin’ny trano fiantohana. Misy fiantraikany any amin’ny retiretin’ny mpiasa izany. Karazana fanararaotana iray mpahazo ny mpiasa malagasy ihany koa ireo miendrika fanambazana ara-pananahana (harcèlement sexuel), izay matetika no miaro fandrahonana. Ny lalàna momba ny herisetra mifototra amin’ny miralenta (VBG) dia manafay izany, saingy sarotra ny manaporofo ny fisiany. Eo ihany koa ny tahotr’ireo iharany sao ho very asa. Fa hatramin’ny nampiroborobo ny fampiasana aterineto teto amintsika dia zary lasa fanaon’ny orinasa sasany ihany koa ny mitsirika ny fiainana manokan’ireo mpiasany, amin’ny alalan’ny fidirana an-tsokosoko any anatin’ny tambajotra sosialin’ireo mpiasa. Manana ny lalàna momba ny « cybercrimilalité » ihany koa anefa isika, manafay izany. Santionany ihany amin’ny zava-misy iainan’ny mpiasa malagasy ireo, saingy ny ankamaroany dia mifidy ny hanakombom-bava, satria sarotra ny mitady asa eto amintsika. Raha ny antontan’isa no tsiahivina dia malagasy 4 tapitrisa no miaina ao anatin’ny tsy fananana asa, nefa tanora manodidina ny 500.000 isan-taona ihany koa no nahavita fianarana sy mitady asa eto amintsika.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana