Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Jimmy Hilarion Rakotonavony « Menatra amin’ny maha izy azy ny Malagasy. »

04/03/2020

Mandroso manaraka toetrandro ny zavakanto eto Madagasikara, hoy ny mpanakanto sady mpikaroka momba ny mozika, Jimmy Hilarion Rakotonavony na Lejim 415.

 

Tadidintsika fa taloha teo ny K7 sy kapila sy CD fa amin’izao efa tsy izany intsony. Ny olana anefa dia tsy misy ny fampiroboroboana. Manjary tsy misy fanabeazana. Eto Madagasikara moa, indrindra, tsy dia misy fianarana mozika loatra. Matetika ny mpanao mozikantsika voatery maka tahaka. Tsy maintsy manaraka onjan-drano ianao ary sasatra raha hanao “Album” izany satria efa takon’ny Youtube. Tsy ampy ny fahefan’ny OMDA na ny ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona. Raha ny tokony ho izy dia 6% amin’ny zavatra azo no mandeha amin’ny artista. Kely dia kely ary ny fahefan’ny OMDA dia tsy mbola ahafahan’ny artista mivelona amin’ny kantony. Tsy ampy olona ny OMDA ary tsy ampy vola. Misy borigady miady amin’ny piraty ao fa mbola lavitra ezaka satria toy ny tany an-dalam-pandrosoana rehetra dia laharam-pahamehana daholo ny zava-drehetra. Misy mizana tsindrian’ila mipetraka ho azy tahaka ny hoe i Jean Emilien izao tompondaka eran-tany amin’ny farara fa tsy fantantsika akory na maty aza kanefa ny Barea mbola nahavita ¼ -dalan’ny tompondakan’i Afrika dia efa tahaka ny inona no lazany sy fikarakarana azy ? Mila miady be amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra satria tsy laharam-pahamehana eto Madagasikara ny kolontsaina, hoy izy. Rehefa tsy manana kolontsaina anefa ny olona dia mitsingevana, tsy mitehan-tany. Isika Malagasy amin’izao menatra ny milaza ny maha izy antsika, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana