Dans la męme rubrique

Sehatra tsy miankina Nolavin'ny fanjakana ilay drafi-panampiana

25/05/2020

Notsipahan` ny fanjakana ny drafitra fanalefahana ny voka-dratsy nateraky ny aretina COVID-19 amin` ny sehatra tsy miankina, hoy Thierry Rajaona, filohan` ny Groupement des entreprises de Madagascar (GEM).

Sehatra tsy miankina Nolavin'ny fanjakana ilay drafi-panampiana

Hamaky ny tohiny...

Nosy be Natsaraina ny famatsiana angovo

23/05/2020

Noraisin’ny ben’ny tanàna ao Nosy be, Gilbert Vita, omaly, ny solontenan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo.

Nosy be Natsaraina ny famatsiana angovo

Hamaky ny tohiny...

Gédéon Rajaonson "Mila ezaka be ny fanarenana ny toekarena"

23/05/2020

Lehibe ny fiantraikan’ny valan’aretina eo amin’ny fiaraha-monina sy ny toekarena manontolo. Ny fihibohana sy ny fikatonan’ireo orinasa dia nampidina haingana ny famokarana ka namotika ny toekarena hoy Atoa Gédéon Rajaonson.

Gédéon Rajaonson "Mila ezaka be ny fanarenana ny toekarena"

Hamaky ny tohiny...

3 volana nikatsoan’ny sehatra fizahantany 1,5 tapitrisa ireo efa very asa

22/05/2020

Miisa 1 500 000 ny mpiasa misehatra amin’ny fizahantany no efa very asa ankoatra ny fatiantoka nandritra izay 65 andro tsy nihodinan’ny sehatra

3 volana nikatsoan’ny sehatra fizahantany 1,5 tapitrisa ireo efa very asa

Hamaky ny tohiny...

Fahamehana ara-pahasalamana 200 miliara ariary ho an'ny drafitra sosialy

22/05/2020

Araka ny fanombohana ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020 (LFR 2020) dia navoaka tamin’ny tatitry ny filan-kevitry ny Minisitra farany teo ny mamaritra izany.

Fahamehana ara-pahasalamana 200 miliara ariary ho an'ny drafitra sosialy

Hamaky ny tohiny...

Kompania Tsaradia Hisy ny sidina natokana ho an’ireo entam-barotra

20/05/2020

Noho ny fangatahana sy ho fitsinjovana ireo mpandraharaha ara-toekarena dia hisy ny sidina manokana ho fitaterana ireo entam-barotra na dia mbola tsy mivaha aza ny olana ateraky ny aretina coronavirus.

Kompania Tsaradia Hisy ny sidina natokana ho an’ireo entam-barotra

Hamaky ny tohiny...

Sehatry tsy miankina Avela hiady irery

19/05/2020

Mitohy 15 andro ny fahamehana ara-pahasalamana, izany hoe mitohy ny fihibohana tapak'andro. Samy niandry ny fepetra ho an` ny sosialim-bahoaka moa ny olom-pirenena nandritra ny kabarin`ny filoham-pirenena ny alahady lasa teo saingy indrisy.

Sehatry tsy miankina Avela hiady irery

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Toekaren’i Madagasikara Maro ireo sehatra mitotongana

05/03/2020

Tsy mitsaha-mitotongana ny toekaren’ny firenena malagasy, indrindra nanomboka ny taona 2009.

 

 

 

Mbola nofinofy ilay hoe fampandrosoana maharitra sy mipaka amin’ny rehetra ary maro ny fanovana tokony hatao raha mieritreritra ny hiroso amin’izany. Mbola lavitra tanteraka ny fampandrosoana i Madagasikara satria miaina anaty fahantrana ny 80%-n’ny Malagasy. Manizingizina hatrany ny Banky Iraisam-pirenena fa fahantrana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra no misy eto. Maro be ny sehatra ilàna fiheverana mba hipaka amin’ny rehetra ny fampandrosoana resahan’ny fitondrana mifanesy saingy tsy tokony hatao ambanin-javatra koa ny fampiroborobana ny eny ambanivohitra. Anisan’ny tsy maintsy hilofosana haingana ny fanamboarana sy fananganana ny fotodrafitrasa any amoahana ireo vokatra satria izany ihany no antoky ny  fampandrosoana eny ifotony. Ilaina ny hanamorana ny tontolon’ny fandraharahana, indrindra ny any ambanivohitra hampivelarana ny sehatra famokarana. Tsizarizary ihany koa ny sehatra fanabeazana sy ny fahasalamana izay mibaribary na ny aty an-drenivohitra aza. Hitarafana ny fandrosoan’ny firenena ireo sehatra ireo ary tokony ho tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana.  Ireo anefa hatreto no sehatra hita ho mikoroso fahana eto Madagasikara ankoatra ny fitantanana tsy mangarahara sy ny fanaovana fombafomba fotsiny amin’ny ady amin’ny kolikoly. Etsy an-daniny, mampihisatra ny toekarena ihany koa ny tsy fahaleovantenan’ny Banky Foibe izay tokony hampitombo hatrany ny fanaraha-maso amin’ny sehatra ara-bola mba handeha amin’ny tokony ho izy ny fampiasana azy. Izany fanovana rehetra izany dia tsy maintsy hatao raha te ho tojo ny fampandrosoana saingy hita ho mitotongana hatrany ankehitriny.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana