Dans la mÍme rubrique

Elakelan-trano

21/04/2020

Ny ankamaroan'ny elakelan-trano eto an-drenivohitra toa an' Anosibe,Anosizato,Anosipatrana,ilanivato dia feno olona milalao baolina, loto, feno mpivarotra. Ny tsikaritra koa dia maloto tanteraka ny tanana

Elakelan-trano

Hamaky ny tohiny...

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

14/04/2020

Nidoboka am-ponja any Amiens ilay tovolahy malagasy izay namono nahafaty ny sipany.

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Atitany ‚ÄúNa ianao te ho velona, na ianao te ho faty‚ÄĚ

11/04/2020

Hentitra ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19 Razafimahefa Tianarivelo amin’ny fampanajana ny fihibohana izay hita ho goragora.

Minisitry ny Atitany ‚ÄúNa ianao te ho velona, na ianao te ho faty‚ÄĚ

Hamaky ny tohiny...

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

11/04/2020

“Nahafaly ahy ny nanatrika ny fizaran-tsakafo teo Ankazomanga sy Antohomadinika, niarahana tamin'ny CRA.

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

Hamaky ny tohiny...

Gilbert Raharizatovo ‚ÄúNy ady gasy no nahavonjy antsika‚ÄĚ

10/04/2020

Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny mpanao politika sady mpanao gazety Gilbert Raharizatovo.

Gilbert Raharizatovo ‚ÄúNy ady gasy no nahavonjy antsika‚ÄĚ

Hamaky ny tohiny...

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

LUDY SOA SY NATHAN

05/03/2020

Araka ny lahatsoratra nivoaka teto amin`ny gazety Tia Tanindrazana ny 02 martsa lasa teo, momba an`ireo tanora, LudySoa sy Nathan,

mpandray anjara amin`ny fifaninanana an-kira The Voice, dia nambara fa zafikelin'i Andrianaivo Ravelona, mpanao hosodoko izy mianadahy, kanefa tsy misy hifandraisany. Diso io filazana io fa zafikelin`ilay mpanao hosodoko monina any Frantsa, HAZZAVANA, izy mianadahy ireto ary Holisoa ny renin’izy ireo izay zanany vavy. Nanitsy io hadisoana io moa i HAZZAVANA.

 

FANENDAHANA TENY ANKORAHOTRA

Amin’ny andro atoandrobenanahary no nosintonina imasom-bahoaka tao anaty fiarany ny mpamily iray. Izy naka aina tsara teo amoron-dàlana no novohain’ireo telo lahy ranjanana ny fiarany ary nobataina toy ny zazakely ilay rangahy. Nosintonina avokoa izay rehetra azo nalaina teny aminy. Ny finday no lasa voalohany. Tetsy anoloan’ny fivondronana etsy Ankorahotra no nitranga izany omaly ary nigagan’olona tanteraka.

TRANO NIRODANA NAHAFATY ZAZA

Nirodana ny trano Ntaolo tetsy Arivonimamo ary nahafaty olona roa. Zazakely enin-taona sy valo taona izay mpirahavavy niray fandriana ireo namoy ny ainy ireo. Ny renin’ireo sy ny zazakely iray hafa izay anadahin’izy roa vavy dia sendra mba tao amin’ny faritra izay tsy tratran’ny fihotsahana. Na izany aza naratra mafy ireo ary naharitra adim-pamataranandro iray vao tafavoaka tao anatin’ny trano nihotsaka. Ny olona no nifandrimbona hatramin’ny farany na tamin’ny famoahana ny maty na ny velona.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

Tamin’iny volana febroary lasa teo iny no tena betsaka ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga teto an-drenivohitra. Raha ny tarehimarika navoakan’ny borigadin’ny lozam-pifamoivoizana etsy Tsaralalàna dia nahatratra 47 izany ka nahafaty olona roa. Nisy ny olona enina izay nidoboka am-ponja tamin’ireo izay natolotra ny fampanoavana. Nisongadina koa fa betsaka tamin’ireo mpamily ny mamo. Nisy 31 isa nosamborina vokatr’izany, tamin’ny volana febroary hatrany.

 

NANOLANA MPIANATRA

Nandritry ny fankalazana ny andron’ny fampianarana mihitsy no nanapa-kevitra ny nanolana mpianatra ny tsy mataho-tody iray tao Vohipeno. Ny iray zazavavy 13 taona ary ny faharoa 16 taona. Tsy namelan’ny polisy tao an-toerana raha tsy voasambotra ity olon-dratsy ity. Notambatambaziny ireo zazavavy ary nentiny teny amin’ny maizimaizina. Tsy nanaiky ny ray aman-dreny raha tsy nitory hatramin’ny farany. Tao anatin’ny fety no nanadalany ireo zaza.

MPANGALATRA HERINARATRA

Natsikafon’ny JIRAMA ary notononiny mihitsy ireo tena mpangalatra herinaratra eto an-drenivohitra. Ireo hotely lehibe na an’ny karàna na an’ny gasy mpanankarena, raha araka ny tatitra no tena tsy nandoa mihitsy. Efa misy tafiakatra ana miliara ariary ny tentim-bidin’ny halatra jiro izay nataon’ny iray amin’ireo fotsiny. Misy koa ny hotely lehibe iray izay an’ny filoham-pirenena teo aloha izay voakasik’ity fitoriana ataon’ny Jirama ity.

FANAFIHANA MITAM-BASY

In-droa voatafika tamin’ny basy ny tokantrano iray tao Ambovombe-Androy tao anatin’ny alina iray. Nanana basy ny raim-pianakaviana ka nahavita nampiasa izany tamin’ny voalohany nahatongavan’ireo jiolahy izay rifatra nitsoaka. Akory ny hagagana fa dia niverina indray ireo tamin’iny alina iny ary tena nifampitifitra ny roa tonta. Samy voan’ny bala izy mivady kanefa kosa rifatra nitsoaka ihany ireo olon-dratsy rehefa tena hitany fa sahy maty ilay rangahy.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana