Dans la męme rubrique

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

28/05/2020

“Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 mey 2020 no fotoanantsika”, hoy ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

Hamaky ny tohiny...

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

28/05/2020

Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny hijoroana mpanohitra ara-pomba demokratika dia efa voalazan’ny lalam-panorenana. Efa nisy dingana goavana nametrahana azy io ny taona 2011, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, nanazava ny fahitany ny mampitarazoka ny raharaha ankehitriny.

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

Hamaky ny tohiny...

Zavatra ambaran’ny mpitondra Misavoritaka ambony ambany

28/05/2020

Ny mpanao gazety mampita sy mitatitra ny vaovaom-panjakana indray no mahazo tsiny, kanefa ny fitondram-panjakana no misavoritaka tanteraka ny zavatra ambany.

Zavatra ambaran’ny mpitondra Misavoritaka ambony ambany

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Hodinihina ny tolo-dalĂ na momba ny toaka gasy

28/05/2020

Ny alakamisy 28 may 2020 no handaniana ny volavolan-dalàna laharana faha 010/2019 tamin’ny 28 novambra 2019 mikasika ny fambolena ara-biolojika eto Madagasikara eny amin’ny Antenimierandoholona.

Antenimierandoholona Hodinihina ny tolo-dalĂ na momba ny toaka gasy

Hamaky ny tohiny...

Distrikan'i Fandriana Asa maro no mbola handrasana amin'ny governemanta

28/05/2020

Maromaro ihany ny lisitr'ireo zavatra mbola handrasana amin'ny asa tokony ho tanterahan'ny governamanta fahefana mpanatanteraka tarihan'ny Praiministra

Distrikan'i Fandriana Asa maro no mbola handrasana amin'ny governemanta

Hamaky ny tohiny...

Alban Rakotoarisoa "Bàbà" Aok’izay ny fiheboeboana na "werawera"

28/05/2020

Maromaro ihany ireo fanontaniana napetraky ny mpanao gazety tompon'andraikitry ny fandaharana manokana ao amin'ny haino aman-jery tsy miankina iray tamin'Atoa Alban Rakotoarisoa

Alban Rakotoarisoa "Bàbà" Aok’izay ny fiheboeboana na "werawera"

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Minisitra Tompon’andraikitra ambony 44 notendrena

28/05/2020

Nisy omaly 27 mey ny tatitry ny filankevitry ny minisitra nentina nanamafisana ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana,

Filankevitry ny Minisitra Tompon’andraikitra ambony 44 notendrena

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana mampiahiahy Misy akony ratsy any amin'ny famatsiam-bola

09/03/2020

Na dia efa nanambara tamin'ny fomba ofisialy aza ny HCC fa lany filoham-pirenena i Andry Rajoelina, tsy azo hamaivanina ny fitsikafonan'ny resaka doublon farany teo.

 

 Voaporofo fa tsy tanteraka teto izany ilay hoe fifidianana madio sy mangarahara, ka mety mpitondra tsy tena araka ny safidim-bahoaka no mitantana eto. Voaporofo ny tsy fahaizan'ny Malagasy miasa sy mampiasa araka ny tokony ho izy ny vola sy fitaovana eo am-pelatanany. Anisan'ny tena nahazo famatsiam-bola matevina ny an’ny CENI ary tsara fitaovana kanefa tena manala baraka ny firenena. Efa malaza ratsy ny kolikoly any amin’ny tsenam-baro-panjakana, ny eny anivon'ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Izao ny rafitra mikarakara fifidianana mihitsy no hita fa misy olana ary samy niezaka ny nanarontsarona an'io ireo manampahefana saingy iny noborahan'i Thierry Rakotonarivo iny moa ny zava-misy marina. Vokatr’izay, mitombo ny tsy fahatokisan'ireo mpiara-miombon'antoka sy mpamatsy vola an'i Madagasikara. Sarotra ny inoana fa hahita ilay 17 miliara dolara hanatanterahana ny PEM izao fitondrana izao. Ny mampatahotra dia mety ireo mpandraharaha sy mpanam-bola vahiny manana fomba fiasa tsy dia mazava no hibosesika eto hanadio vola maloto sy haka tany.  Fantatr'izy ireo mantsy ny fahalemen’ny mpitondra, mila vola ny fanjakana ary tsy mahazo any amin'ny mpamatsy vola mahazatra ka horaviravizany vola be eo, dia ho roboka.
Miha mazava izany izao hoe nahoana no herintaona nitantanana ny firenena i Andry Rajoelina fa toa mihodinkodina am-pitoerana fotsiny fa tsy miasa mandeha haingana araka ny maha TGV azy. Tsy misy ny vola ! Zara aza mahaloa ny karaman'ny mpiasam-panjakana isam-bolana, hatreto aloha. Raha 17 miliara dolara no ilaina hanatanterahana ny IEM. Io moa araka ny tenin-dRamatoa Rinah Rakotomanga tao amina fahitalavitra tsy miankina iray, herinandro lasa izay, ka raha raisina hoe 5 taona ny fotoam-piasan'ny filoha Rajoelina sy ny ekipany, dia midika izany fa mila 3,4 miliara dolara isan-taona. Ny taona 2019 anefa zara raha nanodidina 500 tapitrisa dolara ny vola fanampiana azon'i Madagasikara, ka amin'ity 2020 ity ve izany ny fanjakana dia hahita 3,4 miliara dolara ampiana ny ambiny tsy azo tamin'ny herintaona dia 2,9 miliara dolara izany hoe 6,3 miliara dolara (3,4 +2,9) ? Dia asa re, fa tsy mbola nahazo izany famatsiam-bola izany mihitsy i Madagasikara hatramin'izay naha Madagasikara azy. Hisy fahagagana izany ve eto ?

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana