Dans la mme rubrique

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

28/05/2020

“Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 mey 2020 no fotoanantsika”, hoy ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

Hamaky ny tohiny...

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

28/05/2020

Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny hijoroana mpanohitra ara-pomba demokratika dia efa voalazan’ny lalam-panorenana. Efa nisy dingana goavana nametrahana azy io ny taona 2011, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, nanazava ny fahitany ny mampitarazoka ny raharaha ankehitriny.

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

Hamaky ny tohiny...

Zavatra ambaran’ny mpitondra Misavoritaka ambony ambany

28/05/2020

Ny mpanao gazety mampita sy mitatitra ny vaovaom-panjakana indray no mahazo tsiny, kanefa ny fitondram-panjakana no misavoritaka tanteraka ny zavatra ambany.

Zavatra ambaran’ny mpitondra Misavoritaka ambony ambany

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Hodinihina ny tolo-dalàna momba ny toaka gasy

28/05/2020

Ny alakamisy 28 may 2020 no handaniana ny volavolan-dalàna laharana faha 010/2019 tamin’ny 28 novambra 2019 mikasika ny fambolena ara-biolojika eto Madagasikara eny amin’ny Antenimierandoholona.

Antenimierandoholona Hodinihina ny tolo-dalàna momba ny toaka gasy

Hamaky ny tohiny...

Distrikan'i Fandriana Asa maro no mbola handrasana amin'ny governemanta

28/05/2020

Maromaro ihany ny lisitr'ireo zavatra mbola handrasana amin'ny asa tokony ho tanterahan'ny governamanta fahefana mpanatanteraka tarihan'ny Praiministra

Distrikan'i Fandriana Asa maro no mbola handrasana amin'ny governemanta

Hamaky ny tohiny...

Alban Rakotoarisoa "Bàbà" Aok’izay ny fiheboeboana na "werawera"

28/05/2020

Maromaro ihany ireo fanontaniana napetraky ny mpanao gazety tompon'andraikitry ny fandaharana manokana ao amin'ny haino aman-jery tsy miankina iray tamin'Atoa Alban Rakotoarisoa

Alban Rakotoarisoa "Bàbà" Aok’izay ny fiheboeboana na "werawera"

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Minisitra Tompon’andraikitra ambony 44 notendrena

28/05/2020

Nisy omaly 27 mey ny tatitry ny filankevitry ny minisitra nentina nanamafisana ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana,

Filankevitry ny Minisitra Tompon’andraikitra ambony 44 notendrena

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana iandraketan’ny CENI “Tsy hanjary intsony, malalaka ny fandikan-dalàna…”

09/03/2020

Naneho ny heviny mahakasika ny fanambarana nataon’ny CENI i fernand Cello, kandidà ben’ny tanàna farany teo.

Efa fanaon’ny mpanao politika hatramin’izay io resaka “doublons” sy CIN sandoka io, ary saika ahitana tahak’izao avokoa any amin’ny Faritra rehetra eto Madagasikara. Ny taona 2015 dia nahatratra CIN sandoka 500 mahery ny kaomisaria Ranohira izay nataon’ny lehiben’ny fokontany sy kandida hilatsaka hofidina tao Ilakaka. Ankehitriny,  lasa ben’ny tanàna lefitra ireo lehiben’ny fokontany 4 ary nezahina nasitrika io "dossier "io . Nametraka fitoriana teny amin’ny fampanoavana izahay tamin’izany saingy tsy nisy tohiny kanefa dia nisy porofo avokoa ireo kara-panondro sandoka. Nandefa vadintany izahay tamin’izany ,ary niaiky ireo olona ireo fa tsy azy io kara-panondro io fa sandoka kasaina ampiasaina amin’ny fifidianana, hoy i Fernand Cello. Nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo indray dia mbola niparitaka ny CIN sandoka , ary manana porofo be dia be ihany koa ny Kandida rehetra nilatsaka hofidiana tao Ilakaka.
Nilaza ny OMC fa handray fepetra hentitra saingy nanjavona sy nangina tanteraka ny raharaha. Fehiny, hoy ity mpanao gazety ity dia raha mbola fifidianana karakarain’ny CENI eto Madagasikara dia tsy hanjary, ary raha tsy misy fandraisan’ny olom-pirenena andraikitra dieny izao, ny eo ihany no ho eo, ka ho potika ny hoavin’ny taranaka any aoriana. Azo atao tsara izany ny mandika lalàna raha ireo zavatra avoakako eto ireo, hoy ny fanazavana

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana