Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Mandrosoa Ivato Ny trano bodoin’olona, ny zanaka voaolana

09/03/2020

Niharana toe-java-mampalahelo ny fianakaviana iray mipetraka eny Mandrosoa Ivato, ny faran’ny volana janoary 2020 teo.

 

 

 Voaroaka teo amin’ny tranony izy ireo, noho ny resaka fifanolanana fampindramam-bola, izay nivadika ho fivarotana trano. Raha ny angom-baovao, dia nanatanteraka fampisamboram-bola tamina Ramatoa iray ny tompon’ny trano, ny 17 septambra 2010, izay mitentina 51.600.000 ariary. Nisy ny taratasy nifanaovana momba io fampisamboram-bola io ary tataovana zana-bola 18%. Ny rijan-teny nampiasaina anefa, dia hoe : « fifampivarotana fa tsy mety ny tompom-bola ny hoe fampisamborana ». Na izany aza, nanome toky tanteraka ny tompom-bola fa tsy hivadika, ary ny volany ihany no averina fa fombafomba ara-taratasy fotsiny io.

Hosoka sy fampiasana hosoka ?

Ny manaitra tamin’ity raharaha ity, ny andron’io 17 septambra 2010 koa, nisy antontan-taratasy voalaza fa natao koa tany amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, milaza fa nanatanteraka fampivarotana ilay nindram-bola, izay nolaviny tanteraka. Ny 28 jolay 2011, nisy ny fangatahana famindrana ny « Titre N°3987-H » momba ny tranon’ilay nindram-bola. Rehefa nojeren’ilay ramatoa nindram-bola anefa, ny antontan-taratasy rehetra, izay nanjary lasa fampivarotana no niseho, fa tsy fampindramam-bola. Voalaza fa ny 17 septambra 2010 no nanatanterahana ny taratasy teny amin’ny boriborintany fahadimy, izay nanjary 15 septambra 2010. Tsikaritra koa fa diso ny anaran’ny ray aman-drenin’ilay nindram-bola, kanefa tsy tokony ho diso ny anarana misoratra anaty kara-panondro. Miahiahy hosoka sy fampiasana hosoka ny lasibatra amin’izao raharaha izao. Niakatra fitsarana ny raharaha, saingy nanjary resy hatrany ny tompon-trano. Ny matoan’ny didim-pitsarana tao amin’ny fitsarana ambony ny taona 2017, no nentina nanalana ny tompon-trano, ny 31 janoary 2020 teo.

Fanolanana mampiahiahy

Ny alin’ny 24 desambra 2019, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ireo fianakaviana ireto, izay marihina fa manambady teratany vahiny ilay nindram-bola, ary manan-janaka vavikely 12 taona. Tsy nandroba entana na vola ireto jiolahy na dia nolazain’ilay raim-pianakaviana aza, fa misy vola ao amin’ny Cyber-n’izy ireo ao ivelany, fa tsy mitahiry vola ao an-trano ry zareo. Niharan’ny fampijaliana ilay raim-pianakaviana, raha niharan’ny fanolanana tamin’ireo jiolahy miisa telo kosa, ilay zazavavikely 12 taona. Hatreto, tsy fantatra mazava ny mahatonga izao fanolanana mampiahiahy izao. Marihana fa rahampitso talata no hiakatra fitsarana ity raharaha ity ka andrasana ny fivoarany.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana