Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Zon’ny vehivavy sy fanjarian-tsakafo Hiady ny hampiakarana ny tetibola ny depiote

09/03/2020

Nandritra ny fankalazana ny 8 martsa, andro eran-tany ho an’ny vehivavy izao,

 dia anisan’ny fanentanana nataon’ny Firenena Mikambana ny momba ny zon’ny vehivavy hisitraka fahasalamana, fanjariantsakafo ary fandrindram-piterahana. Tsikaritra tokoa mantsy fa ny vehivavy no matetika indrindra tratran’ny tsy fanjariantsakafo ary ireo niharan’ny herisetra tao an-tokantrano no tena miaina izany. Hita taratra izany, nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny tambajotra Champion de la Nutrition de Madagascar, ny ONG Action Contre la Faim, ny vovonana HINA sy ireo parlemantera, tany amin’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Atsimo Andrefana. Ny Centre Manorina ao Verezambola Antsirabe izao dia mampiantrano renim-pianakaviana 5 sahirana. Anisan’ireny Ravaoarintsoa Hanitra, manan-janaka 4 ary nilaozan’ny vadiny. Voatery nonina teny an-dalana izy ary tsy nanana izay hamelomana an-janany. Tsy niasa rahateo izy, satria hatrao an-tokantrano no tsy navelan’ny vadiny hanao izany. Tao Ambalalehibe kaominina ambanivohitr’Ivato Centre Ambositra ihany koa dia nahitana an’i Ndrasana, vehivavy niteraka iray, nisara-bady ihany koa. Manivana volamena no asany ary vola 2.000 Ar isan’andro, farafahabetsany no raisiny amin’izany. Rehefa tsy misy asa dia mangataka amin’ny mpiara-monina no ataony hamelomany an-janany. Manoloana ireny tranga ireny dia nanambara Rtoa Voahanginirina Zafimandimby Marie-Laurette, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Isandra, faritra Matsiatra Ambony, filoha lefitry ny komisiona momba ny miralenta sy ny fampandrosoana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, fa hiady mafy ry zareo parlemantera mba hanondrotana ny tetibola hampiroboroboana ny miralenta sy ny fanjariantsakafo eto amintsika. Ady efa nilokalokan’ny filoham-pirenena hatao rahateo ny fampihenana ny tahan’ny fanjariantsakafo ho 21% ary ady imasoan-dramatoa vadiny ny momba ny fampanjakana ny miralenta. Tanjona mifameno ireo, satria rehefa misitraka ny zony ny vehivavy dia mihena ho azy ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo.

 

 Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana