Dans la mme rubrique

Fahantrana lalina

26/05/2020

Midina ny fahefa-mividin’ny valalabemandry. Maro rahateo ireo very asa vokatr’izao krizy izao.

Fahantrana lalina

Hamaky ny tohiny...

Atao haingam-pandeha daholo !

23/05/2020

Tsy vao sambany amin’izay heverina ho vakoka nokitihan’izao fitondrana izao akory ny lapan’i Manjakamiadana, raha ho an’ny teto Antananarivo sy ny manodidina fotsiny no akana ohatra.

Atao haingam-pandeha daholo !

Hamaky ny tohiny...

Kimaizimaizina…

22/05/2020

Mihazakazaka ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara. Nambaran’ny fitondram-panjakana tany am-boalohany fa atao ao anatin’ny

Kimaizimaizina…

Hamaky ny tohiny...

Sahirana manetry tena

20/05/2020

Hatramin’izay nanomezana fahaleovantena ny firenena izay ka hatramin’izao izany aloha dia hita ho toetra fototry ny mpitondrantsika nifandimby ny

Sahirana manetry tena

Hamaky ny tohiny...

Rehefa sahy dia sahy !

19/05/2020

Naherihery ny fitenin’ny Filoham-pirenena Malagasy tato ho ato manoloana ny kihana ataona firenena na vondrona firenena.

Rehefa sahy dia sahy !

Hamaky ny tohiny...

Milalao afo

18/05/2020

Efa hita, hono, ny fanafody kanefa ny marary rehefa jerena vao miha mitombo. Ilay fanentanana tsy hivoaka ny trano moa izany efa naman’ny tantara sisa.

Milalao afo

Hamaky ny tohiny...

Aza atao bontolo !

16/05/2020

Any amin’ny fitondram-panjakana ny baolina amin’ny fanapahan-kevitra horaisina momba ny ho avin’ny firenena.

Aza atao bontolo !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Tsy Krizy hoe ?

10/03/2020

Mandalo ambaratonga efatra raha ny fanazavan’ny siantifika azy, ny fipoahana ady ao anaty fiarahamonina na firenena iray. Miandoha amina disadisa na ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe « turbulance » izany.

 

 

Rehefa tsy voavaha na tsy voatantana io dia manjary aditeny na “tension”. Hatreo dia ny fifamaliana am-bava sy teny mahery no mbola mifamezivezy vokatry ny fifampitondrana tsy araka ny tokony ho izy ao anatin’ilay fiarahamonina na firenena iray. Raha tsy miravona eo dia mipoaka amin’izay ny atao hoe adilahy na krizy na tsy fahampiana amin’ny endriny maro vokatr’ilay disadisa sy aditeny tsy nety nampifanaraka teo. Miainga any amin’ny mpitondra sy ny mpanao politika izany ary ny vahoaka no mizaka ny voka-dratsiny hatrany, nanomboka tany amin’ny taona 1972 no ho nankaty. Nahantra isika ary niha nahantra hatrany. Porofon’ny fisiana krizy, raha fehezina, ny fahantrana kanefa dia misy sahy mbola milaza ihany fa tsy anaty krizy i Madagasikara. Raha ny tarehimarika nomen’ny banky iraisam-pirenena vao haingana dia fahefatra amin’ny firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ity nosy ity ankehitriny, raha faha-8 tao anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Nahantra ary niha nahantra hatrany. Krizy ary niha krizy. Tsy mahagaga raha maro amin’ireo mpandinika sy mpamakafaka raharaham-pirenena no milaza fa tsy afaka ny mampandroso ny firenena isika satria betsaka ny fanarenana mila atao. Tsy fahatarana 60 taona fotsiny fa efa kely sisa dia taonjato roa mihitsy no mandindona. Ny dikan’izany dia tsy nisy azo natao afa-tsy ny nitantana krizy sy namaha krizy teto tao anatin’ny 10 taona farany. Ny ahiana, ary hirariana mba tsy ho tonga mihitsy, dia ilay ambaratonga faha-4 amin’ny fipoahana ady izay tsy inona fa ny atao hoe ady atsanga na “conflit déclaré”. Efa nisy ihany ny adina zana-poko vitsivitsy izay novahan’ireo tompon’andraikitra nampisahanina izany izay heno tao anatin’ny 2 taona farany ary soa fa vitan’ny filankevitra tompon’andraikitra sy ireo mpiara-miasa aminy aloha ny nandravona azy. Mirary soa ny firenena hatrany !

J. Mirija   

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana