Dans la mme rubrique

Ravalomanana sy Andriantsitohaina Miha mafy ny fifandonana

13/08/2020

Tsy misy resaka politika mihitsy io, ary marina angamba ny tenin’i Filoha Ravalomanana hoe tsy mahay politika aho,

Ravalomanana sy Andriantsitohaina Miha mafy ny fifandonana

Hamaky ny tohiny...

Patrick Raharimanana “Mampalahelo ahy ilay Filoha mitsena entana”

13/08/2020

Nandinika ny sarin'ny Filoham-pirenena nitsena ireo fitaovana nafarana avy any ivelany entina hitsaboana marary dia lasa ny saiko, hoy ny filohan’ny antoko politika Vitantsika io, Patrick Raharimanana ary tena nalahelo azy aho. Navoaka tao anaty fiaramanidina ny entana,

Patrick Raharimanana “Mampalahelo ahy ilay Filoha mitsena entana”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Ny fitondrana mihitsy no mitady korontana”

13/08/2020

Mampalahelo ny vahoaka Malagasy satria fanina tanteraka ary tsy mahita ho sarangotina, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Natiora, tarihin’ny filohany Mihari-Ni-Rencho.

Antoko Natiora “Ny fitondrana mihitsy no mitady korontana”

Hamaky ny tohiny...

Dinika politika andiany faha-8 Ho raisina ny soso-kevitry ny sehatra tsy miankina

13/08/2020

Ao anatin’ny fanomanana hatrany ny andiany fahavalo amin’ilay dinika politika eto Madagasikara izay tohanan’ny vondrona eoropeanina dia anjaran’ireo sehatra

Dinika politika andiany faha-8 Ho raisina ny soso-kevitry ny sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina Manomboka mafana ny fitsikerana azy

12/08/2020

Manomboka mafana ny tsikera mahazo ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina.

Naina Andriantsitohaina Manomboka mafana ny fitsikerana azy

Hamaky ny tohiny...

Anosizato Andrefana Raikitra ny fanisana ny mponina

12/08/2020

Raikitra ny fanisana ny mponina ao anatin’ny kaominina Anosizato Andrefana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Anosizato Andrefana Raikitra ny fanisana ny mponina

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Akatony ny MBS raha sahy ianareo”

11/08/2020

Ny 30 jolay teo no nandefasan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina taratasy manambara ny fanafoanana ny fifanarana fampiasana tany an-taonany maro na “bail amphytéotique”

Marc Ravalomanana “Akatony ny MBS raha sahy ianareo”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Raharaham-pirenena Nanao fanambarana ireo manamboninahitra lefitra

11/03/2020

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fanambarana voalaza fa nataon’ireo manamboninahitra lefitra araka ny tatitra an-telefaonina nataon’ny mpanao gazety Soava Andriamarotafika.

 

 

 

Omaly tolakandro no voatondro fa nanaovana io fanambarana io izay tena masiaka tokoa manoloana ny raharaham-pirenena.Mahitsy sady mazava ny voalaza rehetra : Feno ny kapoaka hoy ireto manamboninahitra lefitra ireto ary tena tsy mahafehy ny fitantanana ny firenena intsony ny mpitondra amin’izao fotoana

Hafatra ho an’ireo manamboninahitra ambony

Manoloana ny tsy fihainoana sy ny tsy firaharahianan’ny fanjakana foibe ny fanambarana misesisesy izay nataon’izy ireo momba ny fiainam-pirenena, dia manao ity fanambarana farany ity izahay hoy ireo manamboninahitra lefitra.Voalaza ary fa:  tsy hita na dia kely aza ny fitandroana ny zo fototra maha olona, ary misy ny fiantefan’izany any amin’ireo manamboninahitra lefitra sy ny miaramila amin’ny ankapobeny izany. Hisy ny fepetra ho raisina,hoy ity fanambaran’ny manamboninahitra lefitra ity  raha toa ka mbola tsy mahatsiaro tena ary mbola manaiky vidiam-bola ireo manamboninahitra  ambony sy manamboninahitra jeneraly eo anivon’ny tafika.Mbola misy ny fanitsakitsahana ny lalàna 96-029 momba ny manamboninahitra lefitra izay terena miambina mpandraharaha sy mpangalatra ary ny kaomandy mpanendry anefa no mandray ny fahasoavana amin’izany; voalaza ihany koa ny fandroahana tsy mahazo miatrika fihofanana izay mihatra amin’ireo manamboninahitra lefitra ary ny fandrirarirana ihany koa amin’ny fampiakarana grady.Ambaran’ity fanambarana ity fa hoe : lasan’ireo tompon’andriakitra fotsiny ny tambin-karana tokony ho azo rehefa manao iraka (mission) .

Tsy ekena ny fivarotana tanindrazana

Toherin’ireo manamboninahitra lefitra ireto ihany koa ny fivarotana tanindrazana, tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana tany 60 000 Ha any Bas Mangoky; tsy ekeny ihany koa ny famarotana ny fananam-pirenena tahaka ny mitranga ao amin’ny Jirama, ny serana-tsambo, Air Madagascar, ny banky…Etsy ankilany dia tsy voaantoka mihitsy ny fiarovana ny aina sy ny fananan’ny olom-pirenena, hoy hatrany ny fanambarana ka mirongatra ny hala-jaza sy halatra taova; tsy misy ihany koa ny fandriampahalemana na an-tsaha na an-tanan-dehibe ary sesilany ny fahatapahan’ny herinaratra.Tsy manefa intsony ny vidin’ny rano sy ny jirony ny fanjakana ary toa ireo vahiny no mahazo avara-patana any amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, voatery mitrosa amin’ny jirama ny fanjakana ary ny vahoaka no mizaka ny vokatr’izany ka mameno ny banga.

Fampanantenana poakaty

Volazan’ity fanambaran’ireo manamboninahitra lefitra ity ihany koa fa sesilany ny fampanantenana poakaty ataon’ny filoham-pirenena sy ny mpiara-dia aminy ary tsy misy mipaka any amin’ny fiainam-bahoaka ny fitantanana atao na dia 1% aza.Toherina ny fibodoana ny tanim-bahoaka tahaka ny mitranga any Antsirabe voalohany hoy hatrany ny fanambarana; tsy mety ary tsy ekena ny mpitandro filaminana mamono olona ary tena nahitsy ireto manamboninahitra ireo nilaza fa tsy miaro ny vahoaka intsony ny Emmoreg fa miaro ny filoham-pirenena sy ny fianakaviany ary mirehareha amin’izany ireo manamboninahitra jeneraly.Tsy mahafehy ny fitantanana ny firenena intsony ny mpitondra amin’izao fotoana hoy ny fehi-teny tamin’ny fanambarana nataon’ireo manamboninahitra lefitra ity.

RTT

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana