Dans la mme rubrique

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

28/05/2020

“Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 mey 2020 no fotoanantsika”, hoy ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

Hamaky ny tohiny...

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

28/05/2020

Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny hijoroana mpanohitra ara-pomba demokratika dia efa voalazan’ny lalam-panorenana. Efa nisy dingana goavana nametrahana azy io ny taona 2011, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, nanazava ny fahitany ny mampitarazoka ny raharaha ankehitriny.

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

Hamaky ny tohiny...

Zavatra ambaran’ny mpitondra Misavoritaka ambony ambany

28/05/2020

Ny mpanao gazety mampita sy mitatitra ny vaovaom-panjakana indray no mahazo tsiny, kanefa ny fitondram-panjakana no misavoritaka tanteraka ny zavatra ambany.

Zavatra ambaran’ny mpitondra Misavoritaka ambony ambany

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Hodinihina ny tolo-dalàna momba ny toaka gasy

28/05/2020

Ny alakamisy 28 may 2020 no handaniana ny volavolan-dalàna laharana faha 010/2019 tamin’ny 28 novambra 2019 mikasika ny fambolena ara-biolojika eto Madagasikara eny amin’ny Antenimierandoholona.

Antenimierandoholona Hodinihina ny tolo-dalàna momba ny toaka gasy

Hamaky ny tohiny...

Distrikan'i Fandriana Asa maro no mbola handrasana amin'ny governemanta

28/05/2020

Maromaro ihany ny lisitr'ireo zavatra mbola handrasana amin'ny asa tokony ho tanterahan'ny governamanta fahefana mpanatanteraka tarihan'ny Praiministra

Distrikan'i Fandriana Asa maro no mbola handrasana amin'ny governemanta

Hamaky ny tohiny...

Alban Rakotoarisoa "Bàbà" Aok’izay ny fiheboeboana na "werawera"

28/05/2020

Maromaro ihany ireo fanontaniana napetraky ny mpanao gazety tompon'andraikitry ny fandaharana manokana ao amin'ny haino aman-jery tsy miankina iray tamin'Atoa Alban Rakotoarisoa

Alban Rakotoarisoa "Bàbà" Aok’izay ny fiheboeboana na "werawera"

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Minisitra Tompon’andraikitra ambony 44 notendrena

28/05/2020

Nisy omaly 27 mey ny tatitry ny filankevitry ny minisitra nentina nanamafisana ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana,

Filankevitry ny Minisitra Tompon’andraikitra ambony 44 notendrena

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fihaonan’ny governemanta sy ny depiote Hafana ny resaka coronavirus sy tsy fandriampahalemana

11/03/2020

Ivelan’ny fivoriana tsy ara-potoana atrehin’ny Parlemanta, ny Antenimierampirenena dia manokana ny alakamisy faha 12 martsa 2020,

 

 

hametrahana fanontaniana ny Governemanta. Izany dia hahakasika manokana ny aretina Coronavirus sy ny fepetra izay raisin’ny Fanjakana, hoy ny fampitam-baovaon’ny Antenimieram-pirenena. Voakasika amin’izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahan-tany ary ny Famantarana ny toetr’andro, izay manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Ny  hariva manomboka amin’ny 3 ora kosa dia mahakasika ny tsy fandriam-pahalemana, izay hiantsoana ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Atitany, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarmaria. Efa fampiomanana an’ireo Minisitra amin’ny mety ho valin-teniny izany ity fampahafantarana nataon’ny solombavambahoaka ity. Hifanaraka amin’ny tena zava-misy marina ve ny fanazavana hoentina satria toa efa naman’ny mivoaka alohan’ny fotoana izany ny laza adina ho an’ireo minisitra voakasika ?

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana