Dans la mme rubrique

Resy ny valalabemandry

01/04/2020

Roa herinandro latsaka kely izay no nihatra teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny hamehana ara-pahasalamana.

Resy ny valalabemandry

Hamaky ny tohiny...

An-tendro-molotra fotsiny ?

30/03/2020

Tsy andron’ny fifanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny filoham-pirenena tamin’ny andro voalohany nanambarany fa tafiditra eto ity areti-mandripaka.

An-tendro-molotra fotsiny ?

Hamaky ny tohiny...

Ady mafy

28/03/2020

Aza heverina ho toy ny anaty fety na kermesy sy andro tsy iasana fa handraisan-karama isika, hoy ny minisitry ny atitany izay omaly.

Ady mafy

Hamaky ny tohiny...

Aza mora tezitra moa e

27/03/2020

Hita ho tezitra sy hendratrendratra be ihany ny filoham-pirenena halina raha niresaka mivantana tao amin’ny TVM ;

Aza mora tezitra moa e

Hamaky ny tohiny...

Mbola tsy afaka misioka aloha

26/03/2020

Maha velombolo ny fahenoana fa efa mizotra tsikelikely ho amin’ny fahasalamana ny ampahany betsaka amin’ireo voambara ofisialy fa tratrin’ilay aretina COVID19 hatreto.

Mbola tsy afaka misioka aloha

Hamaky ny tohiny...

Tsy tan-dalàna!

25/03/2020

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika amin'izao fotoana izao. Sambany angamba ny Malagasy, indrindra ny eto an-Renivohitra no norarana tsy hivoaka ny trano, kanefa tsy tany miady na misy krizy ara-politika goavana. Azo hitarafana ny fahazakantsika sedra sy handanjana ny fahefam-panjakana io hoe: hatraiza ny fankatoavan'ny olona manam-pahefana?

Tsy tan-dalàna!

Hamaky ny tohiny...

Hifamelona sy hifamono?

23/03/2020

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. Tena mbola tsy nisy angamba ny toy izao, raha ny endriny no jerena. Sedra iraisana amin’izao tontolo izao anefa io amin’ny lafiny iray.

Hifamelona sy hifamono?

Hamaky ny tohiny...


Edito

Mandry tsy lavo loha !

11/03/2020

Raharaha mafana hatramin’izao ilay resaka famoahana antontan’isa mikasika ny lisi-pifidianana sy ny karapanondrom-pirenena miverin-droa. Nanipy ny baolina hiverina amin’ny CENI ny HCC,

 

 

ary toa namantsipantsika fa tsy voahaja ny dingana voafaritry ny fitsipika anatin’iny CENI amin’ny fanalana mpikambana iray. Mbola hafana ny adihevitra amin’ny resaka zo hiaro tena nomena ny olona henjehina. Hanova inona anefa izany ? Efa vaky am-batolampy ny ady, ary inoana fa tsy ho vitavita mora. Efa vaky ny sambo satria ny ain-dehibe iray, isan’ny tena nahafantarana io Vaomieram-panjakana io no efa ety ivelany. Ny mahagaga dia ny hoe tena niraisan’ireo mpikambana rehetra ao ve ity resaka fanonganana ny namana iray ity? Heverina fa hilamina ve ny zava-drehetra rehefa niala ilay iray nambara fa volo tsy nanoa randrana? Mety hilamina ny an’ilay iray tokana, handry ny eritreriny satria efa namoaka tamim-pahitsiana ny zavatra heverina ho marina, na dia miezaka mandiso izany aza ny fanjakana, izay voatohintohina ho lany tamin’ny hosoka sy halatra. Handry tsy lavo loha hatrany kosa ireo na ny ao anaty sambon’ny CENI, na ny mpitondra fanjakana tarihin’ny filoha Rajoelina. Toa mampahatsiahy ilay ampamoakan’ny kolonely iray tamin’ny raharaha 2009, izay ny hany resaka niniana novoizina sisa dia ny hoe: tsy salama saina io. Hatreto mantsy na ireo ekipa ao anatin’ny CENI aza, dia mbola tsy nisy sahy nilaza sy nanitsy, fa diso sy tsy mitombina ny nambaran’ingahy Thierry Rakotonarivo. Tsy mbola nisy niteny sy nampiseho hoe: ireto ary ny antontan’isa marina sy tena izy. Tahaka izany ihany koa ny an’ny mpitondra fanjakana, fa dia manenjika an-jambany tsy misy porofo no azo handikana azy hatreto. Tena tratran’ilay valin-teny malazan’ny HCC hoe: “azo raisina fa tsy mitombina”. Ny fampandrosoana tsy mandeha, ny famahana olana politika mbola vahaolana isan’andro ho an’ny fanjakana. Diavolan-ko lava, kilalao mbola ho ela anefa ity toe-draharaha ity, ka dia miandry am-pitoniana izay hiseho isika mianankavy e!

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana