Dans la mme rubrique

Tranga vaovaon'ny Covid 19 Olona 108 tapitrisa naverina nahiboka any Chine

20/05/2020

Raha ny fitrangany manerana izao tontolo izao dia ity aretina Covid 19 ity no hita ho sarotra resana indrindra tamin’ireo aretina rehetra nihanaka teto ambonin’ny tany.

Tranga vaovaon'ny Covid 19 Olona 108 tapitrisa naverina nahiboka any Chine

Hamaky ny tohiny...

Burundi Noroahana ny solontenan’ny OMS

15/05/2020

Nisaoran’ny fitondram-panjakana burundey mba tsy hilazana hoe noroahany tao amin’ity firenena afrikanina ity ireo solontenan’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS ao an-toerana.

Burundi Noroahana ny solontenan’ny OMS

Hamaky ny tohiny...

Frantsa tao anaty fihibohana Olona 12 tapitrisa no very asa

12/05/2020

Niala tanteraka ny fihibohana raha nihidy aman-trano nandritra ny 55 andro i Frantsa nanomboka omaly. Misokatra avokoa ireo toeram-pivarotana, sekoly, … ary afaka mifamezivezy an-kalahahana ny rehetra.

Frantsa tao anaty fihibohana Olona 12 tapitrisa no very asa

Hamaky ny tohiny...

Joe Biden kandida ho filoha Amerikanina Misy manenjika ho nanao fanararaotana ara-nofo

09/05/2020

Na mbola ady tsy fanta-piafarana aza hatreto ny resaka Coronavirus, dia efa manomboka mifantoka amin’ny fifidianana Filoham-pirenena afaka enim-bolana ny any Etazonia firenena isan’ny be matin’io valanaretina io.

Joe Biden kandida ho filoha Amerikanina Misy manenjika ho nanao fanararaotana ara-nofo

Hamaky ny tohiny...

Rosia 10 000 mahery iray andro, voa ny praiminisitra ...

07/05/2020

Taorian’ny fotoana lava dia isan’ireo firenena tsy mba voakasika firy i Rosia, izay 2200 teo ny olona voa tany amin’ny faran’ny volana martsa.

Rosia 10 000 mahery iray andro, voa ny praiminisitra ...

Hamaky ny tohiny...

Eoropa Mihena ny isan'ny maty

05/05/2020

Manomboka miala tsikelikely amin’ny fihibohana ny ankamaroan’ireo firenena any Eoropa,

Eoropa Mihena ny isan'ny maty

Hamaky ny tohiny...

Etazonia Manana porofo mandetika an’i Chine…

04/05/2020

Taorian’i Donald Trump dia nilaza ny lehiben’ny Diplaomasia Amerikanina Mike Pompeo omaly, fa manana porofo maneho fa nivoaka avy tao amina Laboaratoara any Wuhan Chine ny coronavirus.

Etazonia Manana porofo mandetika an’i Chine…

Hamaky ny tohiny...


Any Ivelany

CORONAVIRUS Mitombo isa hatrany ireo marary maneran-tany

19/03/2020

Eoropa:mihazakazaka ny fiparitahan’ny aretina Efa mihoatra ny 200 000 nanomboka omaly tolakandro ny olombelona voan’ny Coronvirus amina firenena 156 maneran-tany; 214 010 no voambara fa tratran’ity valan’aretina ity arak any tarehimarika nivoaka omaly 18 martsa tamin’ny 10 ora sy sasany alina, ora eto

 

 

Madagasikara.Ny any eoropa no tena mihazakazaka ny fihanaky ny aretina na dia efa samy nanakatona ny sisin-taniny avokoa aza ireo firenena eoropeanina.Lohalaharana hatrany i Italie ahitana marary miisa 35 713, laharana faharoa i Espagne (13 910), fahatelo i Allemagne (11 973), fahaefatra i Frantsa (9052) ary laharana fahadimy i Suisse (3028).Samy nametraka fepetra henitra amin’ny tsy fahazoana mivezivezy, mivory, nanakatona sekoly sy toeram-piasana maro ireto firenena Eoropeanina ireto izay samy manan-katao raha resaka fiahiana ara-tsosialy sy fitsaboana kanefa tena mitombo hatrany ny olona tratry ny Covid-19.

 

Firenena hafa voa mafy

Anisan’ny tena voamafy amin’ny valan’aretina ity ihany koa i Iran satria raha ny tarehimarika nivoaka omaly dia 17 361 no voan’ny Coronavirus any an-toerana ary efa nahatratra 1135 no namoy ny ainy.Ho an’i Korea atsimo ihany koa dia ambony ny taham-pahavoazana: 8413 no mitondra ny Covid-19 .Any Etazonia indray izay anisan’ny firenena voalohany nanapaka ny fifandraisany ana habakabaka tamin’izao tontolo  izao dia 7323 no voan’ny Coronavirus. Taha azo heverina fa ambany ihany aloha raha oharina amin’ny isan’ny vahoaka Amerikanina ( 327 200 000).Na izany aza anefa dia nampiorohoro ny Amerikanina ny tombatombana navoakan’ny gazety New York Times izay nanambara fa hahatratra 2,2 tapitrisa ny Amerikanina mety ho fatin’ny Coronavirus raha toa ka tsy miroso amin’ny fepetra hentitra kokoa dia ny fanibohana (Mesure de confinement) tahaka ny efa atao any Italie sy Frantsa ny any Etazonia.

 

Mitondra fanampiana ny Sinoa

Taorian’ny fandefasana mpitsabo tany Italie dia mitohy hatrany ny fanampian’ny Sinoa ny eropeanina hiatrehana ny ady amin’ny Coronavirus Covid-19 ka fiaramanidina goavambe no nigadona tany Liège – Belgique ny alatsinainy teo.Tapim-bava 300 000 isa no nentiny tamin’izany. Narahana teny hoe “l’union fait la force” na “izay mitambatra vato” raha adika amin’ny teny Malagasy.Tsara ho marihana fa olona 1486 no voaporofo fa voan’ny coronavirus any Belgique , 10 no maty raha nisy olona 1 kosa voalaza fa sitrana.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana