Dans la mme rubrique

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

29/05/2020

Nijery ifotony ny fanamboarana eny amin’ny Rova i Marc Ravalomanana omaly maraina ary nanao fandaharana manokana ny hariva.

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

Hamaky ny tohiny...

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

29/05/2020

Tsy mitsipaka ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny Covid 19 izahay, hoy ny kandida ho solombavambahoaka teo aloha sady solontenan’ny zanak’I Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

29/05/2020

Efa fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary efa nifampiresaha nivantana tamin'ireo Tangalamena sy Olobe taty an-toerana,

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

29/05/2020

Nanao tatitra mahakasika ny asany nanoloana ireo solombavambahoaka ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta miantsoroka ny fandriampahalemana omaly.

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

Hamaky ny tohiny...

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

29/05/2020

Manana ny andraikiny voafaritry ny lalana ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM. Voafaritra ao amin’ny 2016 – 027 fa miandraikitra ny mba tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena izahay, hoy ny filohany, Maka Alphonse.

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

28/05/2020

“Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 mey 2020 no fotoanantsika”, hoy ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

Hamaky ny tohiny...

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

28/05/2020

Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny hijoroana mpanohitra ara-pomba demokratika dia efa voalazan’ny lalam-panorenana. Efa nisy dingana goavana nametrahana azy io ny taona 2011, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, nanazava ny fahitany ny mampitarazoka ny raharaha ankehitriny.

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Manangam-bovona ny CENI “Madio sy matihanina amin’ny asanay izahay”

20/03/2020

Alain-tahaka amin’ny fanatontosana ny fifidianana any amin’ny firenen-kafa isika.

 

 

Tsy tokony hanaratsy tena toy ny omby hatsika isika, fa tokony hitazona ny maha isan’ny firenena lohalaharana aty Afrika eo amin’ny fitantanana ny fifidianana, raha ny nambaran’ny Filohan’ny CENI Atoa Hery Rakotomanana. Nisy mantsy omaly ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpanao politika. Aoka tsy hanao mpimasy tsy masina an-taniny, fa ny olona indray no migoka ny traikefa izay misy ato amin’ny CENI satria izahay  dia antsoina maneran-tany, indrindra aty Afrika hizara traikefa, hoy izy. Antsoina mandray andraikitra ambony iraisam-pirenena aza eo amin’ny fikambanana mitantana ny fifidianana, ka aoka izay ny fanenjehana sy ny fanaratsiana amin’ny tsy rariny ny CENI. Tahaka anareo ihany satria izahay koa dia tia an’i Madagasikara sy ny vahoaka ato aminy tahaka anareo, hoy hatrany izy. Asa na fifandrifian-javatra na ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) no tiany hasiana tamin’io fehezanteny iray. Nambaran’ny Filohan’ny CENI fa tsy izy ireo mihitsy no ho fototry ny fanodinkodinana  na hanodinkodina ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara. Ny olana ao anaty lisi-pifidianana, hoy izy, dia tsy vao ity CENI ity no nisiany fa efa hatramin’izay, fa anjaran’izy ireo ny manitsy araka ny lalàna manan-kery, hoy io Filohan’ny CENI io. Misokatra hatrany amin’ny sehatra ifampidinihana. Nilaza moa izy ireo fa tany amin’ny taona 2016-2017 no betsaka indrindra ny karapanondro izay 94% miverin-droa fa tsy nampiova ny voka-pifidianana. Olona samihafa rahateo ireo, ka tsy tokony fafana sy hesorina aminy ny zony. Hita porofo ao anatin’ny antontan-kevitra, fa nomena talohan’ny 2017 ny karapanondro miverina laharana. 4,58 izany ho an’ny taona 2018. ho an’ny 2019 dia 1,28% . 0,05% kosa ny tamin’ity taona 2020 ity. Mizotra mankany amin’ny tsara kokoa, raha ny fanazavana. Nanatrikitrika izany ny CENI fa tena matihanina sy nadio tamin’ny asany. Andrasana izay ho setriny amin’ny mpanao politika, indrindra ny mpanohitra, izay manamafy fa fifidianana tsy ara-drariny sy feno hosoka no natao teto ka tokony foanana avokoa.

Toky R sy Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana