Dans la męme rubrique

Krizy ara-pahasalamana Nandroso drafi-panarenana roa ny Praiminisitra

29/05/2020

Mivonona hamoaka drafi-panarenana amin` ny krizy ara-pahasalamana, izay efa nanomboka roa volana lasa izay, ny governemanta Malagasy.

Krizy ara-pahasalamana Nandroso drafi-panarenana roa ny Praiminisitra

Hamaky ny tohiny...

Dr Ratsimivony Jean Claude « Mila fitandremana ny fahasalamana rehefa ririnina »

29/05/2020

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny, fotoana izay mampirongatra ireo karazan’aretina maro samihafa amin’ny andavanandro.

Dr Ratsimivony Jean Claude « Mila fitandremana ny fahasalamana rehefa ririnina »

Hamaky ny tohiny...

Betroka Niakatra 100 ireo matin'ny tazomoka

28/05/2020

Miakatra miakatra hatrany ny isan'ny olona matin'ny tazomoka izay aretiny teny mamely mafy tokoa any amin'ny distrikan'i Betroka Faritra Anosy ankehitriny raha ny nambaran'ny depiote Nicolas Randrianasolo voafidy tany amin'ity toerana ity

Betroka Niakatra 100 ireo matin'ny tazomoka

Hamaky ny tohiny...

Fadimbolana Mety hahafaty raha tratry ny mpisompatra

28/05/2020

Rehefa tratry ny jijaka ny vehivavy dia tsy mijanona intsony ny fadimbolany,

Fadimbolana Mety hahafaty raha tratry ny mpisompatra

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana tradisionela Malagasy Be mpitady any amin’ny Faritra

26/05/2020

Ankoatra ny fitsaboana ny mpiray tanindrazana amin’ny alalan’ireo karazana zava-maniry haodina hanjary ho fanafody mahasitrana sy ny otra dia manome asa ireo tanora tsy an’asa eto amintsika ihany koa ny FITRAMA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy.

Fitsaboana tradisionela Malagasy Be mpitady any amin’ny Faritra

Hamaky ny tohiny...

CHU Morafeno Toamasina Nodimandry ilay mpitsabo voan’ny Covid-19

25/05/2020

Olona roa no namoy ny ainy tao amin’ny Hopitaly manarapenitra, fitsaboana ireo mararin’ny Coronavirus omaly.

CHU Morafeno Toamasina Nodimandry ilay mpitsabo voan’ny Covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra eny amin’ny anjerimantolo

25/05/2020

sy mankasitraka ny hanohizana ny fampianarana "en ligne"

Mpianatra eny amin’ny anjerimantolo

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Fiatrehana COVID-19 Fanarahana torimarika no fanafodiny…

23/03/2020

Sarotsarotra tato ho ato ny fahitan-tory, samy malahelo, samy mitaintaina, samy matahotra ny aretina COVID-19 taorian` ny fanambarana fa misy tranga voamarina eto Madagasikara.

Tsapa nandritra iny farany herinandro iny fa maro ireo olom-pirenena nilahatra teny amin` ny fivarotam-panafody, tobin-dasantsy, fivarotana enta-madinika… nangona izay heveriny fa ho ilainy entina hiatrehana ny “coronavirus”. Nilahatra nividy voasary makirana sy sakamalaho ary ireo hanitra heverina fa mety hiaro azy amin` izany ihany. Etsy ankilany, ny fitondram-panjakana dia manao izay ho afany mba ho tony na dia tsy mora aza izany. Noho izany, andrasana amin` ny mpitondra fanjakana sy manampahefana isan-tsokajiny, izay fara fahaizany hametrahana ny paikady sy tetika handresena ity COVID-19 ity.. Tsy tokony hisorona hampiasa fahefana eo am-pelatanany. Tsy tokony handainga amin'ny vahoaka kosa anefa, fa manambara ny marina ary olona mahay ny asany sy mendrika hiatrika vahoaka no tokony hasaina miteny. Etsy andaniny, ny vahoaka dia tokony hanaraka izay toromarika apetraka. Efa eto tokoa ny “Coronavirus” ary tsy honohono na angano ka tsy vitan'ny mokon-doha io fa tena mila fifehezan-tena be ary mila arahana ny toromarika. Mila manara-baovao ihany koa. Tsy maharesy io aretina io ny fifanenjehana fa aleo laniana amin'ny zavatra. Marihana fa matoa niparitaka haingana be ny Coronavirus tany Italia sy Frantsa dia mafy loha be sy sarotra tenenina ny olombelona ao. Azo raisina ohatra I Rosia eo amin`ny fanarahana torimarika: 20 isa no tranga voamarina fa mitondra ny tsimokaretina saingy tsy misy hatreto ny aina nafohy. Ara-jeografia, izy no firenena akaiky amin` I Sina kanefa noho ny fahaiza miaina nasehoan` ny vahoakany dia voafehy ny “coronavirus”. Any Korea Atsimo ihany koa, voafehy ny “pandémie” noho izay fanarahana toromarika izay. Fotoana izao iatrehana ny zava-misy. Maro tokoa ny fepetra azo noraisina sy tokony ho raisina fa mila atomboka amin`ny tsirairay ny fiarovana.

Andeha hanaja ny toromarika rehetra raha tsy maintsy mifanerasera amin'olona dia raiso ny fepetra :
1-sasao matetika amin` ny rano madio sy savony ny tanana na mampiasa “gel disinfectant”

2-tapeno amin` ny sandry ny vavav sy ny orona raha sendra mikohaka na mihevina

3- hajao ny elanelana 1 metatra amin` ny olona mikohaka na mafana hoditra

4- Ataovy fahazarana ny tsy mandrora na mandrehoka amin` ny tany

Raha mafana hoditra, mikohaka, sempotra dia ampandreneso ny mpitsabo na tobim-pahasalamana akaiky anao indrindra. Raha mila fanazavana fanampiny, antsoy maimaimpoana ny 913.

Marigny A.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana