Dans la mme rubrique

Krizy ara-pahasalamana Nandroso drafi-panarenana roa ny Praiminisitra

29/05/2020

Mivonona hamoaka drafi-panarenana amin` ny krizy ara-pahasalamana, izay efa nanomboka roa volana lasa izay, ny governemanta Malagasy.

Krizy ara-pahasalamana Nandroso drafi-panarenana roa ny Praiminisitra

Hamaky ny tohiny...

Dr Ratsimivony Jean Claude « Mila fitandremana ny fahasalamana rehefa ririnina »

29/05/2020

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny, fotoana izay mampirongatra ireo karazan’aretina maro samihafa amin’ny andavanandro.

Dr Ratsimivony Jean Claude « Mila fitandremana ny fahasalamana rehefa ririnina »

Hamaky ny tohiny...

Betroka Niakatra 100 ireo matin'ny tazomoka

28/05/2020

Miakatra miakatra hatrany ny isan'ny olona matin'ny tazomoka izay aretiny teny mamely mafy tokoa any amin'ny distrikan'i Betroka Faritra Anosy ankehitriny raha ny nambaran'ny depiote Nicolas Randrianasolo voafidy tany amin'ity toerana ity

Betroka Niakatra 100 ireo matin'ny tazomoka

Hamaky ny tohiny...

Fadimbolana Mety hahafaty raha tratry ny mpisompatra

28/05/2020

Rehefa tratry ny jijaka ny vehivavy dia tsy mijanona intsony ny fadimbolany,

Fadimbolana Mety hahafaty raha tratry ny mpisompatra

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana tradisionela Malagasy Be mpitady any amin’ny Faritra

26/05/2020

Ankoatra ny fitsaboana ny mpiray tanindrazana amin’ny alalan’ireo karazana zava-maniry haodina hanjary ho fanafody mahasitrana sy ny otra dia manome asa ireo tanora tsy an’asa eto amintsika ihany koa ny FITRAMA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy.

Fitsaboana tradisionela Malagasy Be mpitady any amin’ny Faritra

Hamaky ny tohiny...

CHU Morafeno Toamasina Nodimandry ilay mpitsabo voan’ny Covid-19

25/05/2020

Olona roa no namoy ny ainy tao amin’ny Hopitaly manarapenitra, fitsaboana ireo mararin’ny Coronavirus omaly.

CHU Morafeno Toamasina Nodimandry ilay mpitsabo voan’ny Covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra eny amin’ny anjerimantolo

25/05/2020

sy mankasitraka ny hanohizana ny fampianarana "en ligne"

Mpianatra eny amin’ny anjerimantolo

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Coronavirus 12 no voa, 900 araha-maso

23/03/2020

Niampy olona 9 vaovao ny voamarina fa mitondra ny coronavirus, izay nandeha tamin'ny sidin’ny Air France AF 934 avokoa, ka ny ankamaroany dia ny 19 martsa, ary ny iray tamin’ny 17 martsa,

 

 

 raha ny fanazavan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly. Efa voaray an-tànana sy arahi-maso eny amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy misy na dia iray aza namoy ny ainy. Miara-miasa tanteraka amin’ny Institut Pasteur de Madagascar IPM, izay eo ambany fiahiana sy fanaraha-mason’ny OMS. Tsy misy zavatra afaka hafenina, fa avy any amin’ny IPM avokoa ny valiny.

MITSANGANA NY FOIBE HAMOAKA NY ANTONTAN’ISA

Ho fanatanterahana ny tapaky ny filankevitry ny minisitra notarihin’ny Filoham-pirenena, dia nisy ny Fivorian’ny OMC-NAT (Organe Mixte de Conception National) dia efa mitsangana ny centre opérationnel covid-19, manana ny foibeny eny amin'ny MBC na ny Mining Business center Ivato. Miainga ao avokoa manomboka anio ny antontan’isa rehetra manodidina ny valanaretina coronavirus. Io no handrindrana ny fitantanana, hamoaka ny isan’ny marary, ny tranga,… Hatao anaty mangarahara tanteraka izany, raha ny fampitam-baovao. Tokony ho mailo sy hitandrina hatrany anefa. Hiresaka sy hifampitafa isan’andro amin’ny 8ora alina amin’ny alalan’ny TVM. Hiara-hiatrika an’izany ao anatin’ny 15 andro.

HAVERINA HOTLIANA IREO MPANDEHA

Tsy misy mitondra ny tsimok’aretina izy ireo na iray aza araka ny fitiliana. Ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’ny fanakorontanana saim-bahoaka. Hisy ny sazy na amin’ny tambajotra, na amin’ny haino aman-jery no mamoaka izany. Tsy maintsy amin’ny fampahalalam-baovao ofisialy ny vaovao mari-pototra. Tsy mety ary aoka izay ny fampielezana vaovao tsy marina, hoy ny Filoha. Miantso hatrany ireo tonga avy any ivelany hanaraka amin’ny antsipirihany ny Filoha. Na mifehy tena 15 andro, na mizaka ny fipariahany ka hahafatezana olona maro. Izay no hifampifehezana mba tsy hivoahana ny trano. Raha misy minia tsy manaraka izany, dia misy laharana manokana azo antsoina. Ho entitra ny fanapahan-kevitra, ary izay mandika ny lalàna, dia hoentina avy hatrany. Hampitomboina ny borigady manokana hoenti-miady amin’ny coronavirus. Hohamafisina sy haverina ny fitiliana ireo olona rehetra avy any ivelany.  Mahatratra 900 mahery moa ireo mpandeha arahi-maso, raha tsy hilaza afa-tsy ireo any amin’ny Hotely eto Antananarivo, 515 any an-tokantrano ; 70 ny mpandeha arahi-maso amin’ny toeram-pitsaboana any Toamasina, ary 70 hafa arahi-maso any an-tokantrano;1 ny mpandeha arahi-maso any an-tokantrano any Nosy-Be ; 1 any Antalaha ; 1 any Mahajanga; 1 any Toliara,…

 

HORAISINA NY FEPETRA MAMETRA NY VIDIN’ENTANA

Hapetraka ny famatsiana vary sy menaka amin’ny alalan’ny tsena mora. Hapetraka avy hatrany ireo eto Antananarivo manomboka androany. Iarahana amin’ny prefe sy ny ben’ny tanàna. Mihantra avy hatrany ny sazy ho an’ireo tsy manaraka ny fepetra. Tsy fotoanan’ny fanararaotana izao fa fotoanan’ny fifampitsinjovana. Ho henjana ny fampiharana ny lalàna, hoy hatrany I Andry Rajoelina.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana