Dans la mme rubrique

Asa any Koweit Tratra ireo mpivady mpanondran’olona

18/07/2020

Lehilahy sy vehivavy iray mpivady no tratran’ny polisy avy ao amin’ny Service des Enquêtes Spécialisés ny 15 jolay

Asa any Koweit Tratra ireo mpivady mpanondran’olona

Hamaky ny tohiny...

Fikasana hamono ny Filoha Kaomorianina Voasambotra tany Mahajanga i Bouboucha

18/07/2020

Teratany Kaomorianina iray avy atsy amin’ny Nosy Anjouan antsoina hoe Isa Mohamed fantatra amin’ny anaram-bositra « Bouboucha »

Fikasana hamono ny Filoha Kaomorianina Voasambotra tany Mahajanga i Bouboucha

Hamaky ny tohiny...

Jean Eric Rakotoarisoa “Aza maika ny hamangy sy hiandry faty…”

18/07/2020

Mitandrema, hoy ny hafatry ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa, manoloana ny zava-misy mikasika ny fipariahan’ny valanaretina Coronavirus eto amin’ny firenena.

Jean Eric Rakotoarisoa “Aza maika ny hamangy sy hiandry faty…”

Hamaky ny tohiny...

Afo be teny Antaninarenina Kila forehitra ny ONE sy ny Paositra

16/07/2020

Nirehitra omaly hariva ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana na ny ONE eny Antaninarenina.

Afo be teny Antaninarenina Kila forehitra ny ONE sy ny Paositra

Hamaky ny tohiny...

Misaona ny fanaovan-gazety Nodimandry i Tahiana Andrianarimanana

16/07/2020

Nodimandry teo amin’ny faha 35 taonany omaly ny namana mpanao gazety eo anivon’ny Onjampeo Feon’Imerina, Hariniaina Tahiana Andrianarimanana na Tahiana Andrianarimanana.

Misaona ny fanaovan-gazety Nodimandry i Tahiana Andrianarimanana

Hamaky ny tohiny...

Mba ho fitsinjovana ny rehetra Sao tokony hahena ny vidin-jiro sy vidin-tsolika ?

16/07/2020

Ny vesatra zakain’ny isan-tokantano sy ny vidim-piainana mihitsy no tokony hahena amin’izao fotoam-pahasahiranana iainan’ny vahoaka izao.

Mba ho fitsinjovana ny rehetra Sao tokony hahena ny vidin-jiro sy vidin-tsolika ?

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’asam-panjakana Covid-19 Mitaky mangarahara ny firaisamonim-pirenena

15/07/2020

Mangataka ny hamoahana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra momba ny fitantanana ara-bola mikasika ny covid-19 ny Firaisamonim-pirenena. Isan’ny

Tsenan’asam-panjakana Covid-19 Mitaky mangarahara ny firaisamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fisorohana ny Covid 19 1253 mitoka-monina

24/03/2020

Ny 112 tamin’ireo mpandeha 145 tamin’ny sidin’ny Air Madagascar MD 51 ny 19 martsa no tratra antso tamin’ny fiantsoana nataon’ny manam-pahefana eto amin’ny tany sy ny firenena.

Nanaiky sy nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fepetra dia ny fanokana-monina izy ireo, mba hifehezana sao sanatria misy mitondra ny tsimok’aretina Covid 19. Mpandeha 22 isa kosa no mampanahy satria tsy tratra antso, raha toa ka iray tsy nandray ny antso. Misy 7 efa namely ny antso, ka nitolo-batana, raha ny vaovao farany.  Manentana haingana dia haingana azy ireo hiantso haingana ny laharana 914 na ny zandary akaiky indrindra ny fanjakana. Eo am-pikarohana azy ireo ny mpitondra, izay fantatra avokoa ny adiresy misy azy, fa tokony hahatsapa tena avy hatrany kosa ireo olona ireo. Mety ho loza ho an’ny fiarahamonina izy ireo. Tokony hatoka-monina satria raha sanatria mitondra ny tsimokaretina, dia tena loza ho an’ny firenena sy hanaparitaka haingana ity areti-mandoza ity. Raha ny antontan’isa omaly moa, dia 1253 no mitoka-monina sy arahi-maso isan’andro amin’izao fotoana izao, ka misy ny eto Antananarivo, Toamasina, sy any amin’ny faritra vitsivitsy izay 1 avy amin’ny ankampobeny. 19 ireo tranga ahiahiana, ary ny efa voamarina fa voa dia mijanona ho 12, raha ny fanazavan’ny Pr Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, lehiben’ny “Centre de Commandement” mikasika ny Coronavirus, izay manana ny foibeny eny amin’ny MBC Ivato.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana