Dans la męme rubrique

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanĂ na iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

22/05/2020

Tsy nampiasana ny CVO ireo olona roa namoy ny ainy noho ny coronavirus, raha ny seraseram-panjakana.

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fanakianana etsy sy eroa Tena tezitra ny Filoha

27/03/2020

Nahatratra 270 ny fanontaniana miantefa amin’ny Filoha noho ny fanambarany fa vonona hamaly izany izy.,

 

 Isan’izany ny hoe misy milaza fa mihoatra ny 23 ny olona voa fa manafina ny fitondram-panjakana. Misy foana ny miezaka manakorontana saim-bahoaka. Aoka ny zavatra ofisialy miala any amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) tsy ho hambanimbaniana, hoy i Andry Rajoelina. Misy vitsy an’isa tsy mila ny fampandrosoana, misy fanaovana politika mamohehitra, fa izy dia miezaka amin’ny fampandrosoana, raha ny nambarany. Tsy izaho no manao fitiliana, tsy ny minisitra, fa ny IPM, ary manara-maso izany ny OMS, hoy izy. Ny ao an-tsain’ireny dia maloto sy maizina, ary fankahalana ny ao am-pony. Ny fanirian’izy ireo dia ny hoe tsy mitombina raha tsy misy maty fa tokony efa be dia be. Any amin’ny fifidianana indray mifankahita. Malagasy ve izany? hoy Rajoelina, izay hita fa tena tezitra raha niseho teo amin’ny fahitalavitra. Misy miteny hoe aiza ny vola nividianana an’ireny fiara tsy mataho-dàlana ireny. Raha misy olona marary na maty ve dia tsy hitaingina fa hoe avy aiza aloha ny vola. Hatao hitsirihana ireo Misy mpitandro filaminana, mpitsabo, mpitsabo mpanampy, biologiste, mandeha mijery ireo marary ka liana an’ireo, raha ny nambarany. Any amin’ny tsy tokony hasiana adihevitra no lasa misy izany, ka sao tsy tokony hasiana adihevitra intsony fa lasa manome fanafintohinana, hoy Rajoelina. Fiara avy amin’ny volam-panjakana, Fiaran’ny minisiteran’ny atitany tokony homena ny Lehiben’ny distrika, ho an’ny Minisiteran’ny fambolena,… Miasa izahay, fa aoka izay ny politika maloto mahazatra, ny fanakorontanana mahazatra anareo. Misy Filoha Afrikanina aza maka maodely aty amintsika, kanefa isika samy isika indray no mifandrabiraby, hoy i Andry Rajoelina.

HITA NY FANAFODY…

Hita ny fanafody manampy ary manamafy ny fiarovana ny tena, izay niarahana tamin’ny IMRA natsangan’ny Pr Ratsimamanga fahavelony. Ny “kininina” no akora fototra niaingan’io, raha ny fanazavan’ny filoha. Hozaraina amin’ny olona natao “confinement” ny fanafody. Hojerena ny fahombiazana afaka andro vitsy. Ho fanampin’ny fitsaboana natao tany Chine Eoropa,… Isan’ny fikarohana vitan’ny IMRA ny ATA (Aro Tsimok’Aretina). 24 no tratry ny aretina, fa manana fanafody hatrany amin’ny 2000 isika raha sanatria ka misy an’izany. Ao amin’ny Hopitaly manara-penitra, ao min’ny biraony, eny amin’ny CCO Covid 19, dia efa misy “video conférence” ahafahana mitafa mivantana amin’ny dokotera Sinoa sy Eoropeanina hahafahana miresaka momba ny “protocole” hahafaha-mitsabo. Misy toerana afaka mandray hatrany amin’ny 800, fa ny lamina napetraka dia mahomby avokoa, ka heverina fa tsy ho tonga amin’izany, raha ny fanazavana.

 

AMPY NY TAHIRIM-BARY

Miakatra ny vokatra amin’izao, ary any Toamasina dia misy tahiry tokony ho roa sambo 22 000 taonina, ary 450 000 taonina eo ny tahirim-bary raha hatao ny kajikajy, raha ny nambaran’ny Filoha. Mihazakazaka amin’ny tsy tokony hampikoropaka ny olona, toy ny resaka solika, kanefa izao mihitsoka no tsy fahafaha-mivoaka ny trano ny fiara. Misy ny “opération Tsinjo” iarahana amin’ny minisitera tsy hanavahana ireo solombavambahoaka. Vao tsy misy eny amin’ny mpivarotra, dia mandray an-tànana manatitra vary ny depiote.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana