Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fampielezana tsaho Raikitra ny hazalambo sy fisamborana

27/03/2020

Tsy misy zavatra amboamboarina manoloana ny filazan’ny sasany fa tsy marina ny antontan’isa avoakan’ny fanjakana, hoy ny valin-kafatr’i Lalatiana

 

 

Andriantongarivo Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Misy antony ny hoe Profesora avy amin’ny Fakiolten’ny Fitsaboana vita fihanianana no mpitondra teny, hoy izy. Avoakan’ny Institut Pasteur de Madagascar n any IPM ary ankatoavin’ny OMS izany, ary maka izany avy eo ny avy amin’ny « Situation report »  izay mitatitra izany any amin’ny antontan’isa faobe momba ny coronavirus, raha ny fanazavana. Tsy afaka mibaiko amin’izany ny fitondram-panjakana, hoy i Lalatiana Andriantongarivo. Mety amin’ireo olona ve izany ny hoe 1000 no maty ary 5000 na 1000 no marary, hoy izy. Maniry ny hahafatesan’ny mpiray tanindrazana ve izany? Inona no tombotsoan’ny fanjakana hanafina? Ny tarehimarika voamarin’ny IPM sy OMS ihany no raisin’ny mpanao ny “situation report”. Tsy hanaiky izany OMS, ary miala tsy manampy antsika, raha manafin-javatra isika, tsy zarantsika aza ve misy vaovao mahafaly, hoy izy.Aoka tsy horebirebena ny saim-bahoaka fa tsy afaka handainga ny fitondrana, tsy maintsy hisitaka ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola raha mandainga isika, hoy  ramatoa minisitra .

TAMBINY 5 TAPITRISA ARIARY      

Tena handraisana fepetra ny olona manaparitaka vaovao tsy marina amin’ny tambajotran-tserasera, raha ny nambaran’io minisitra io, ary efa misy ny vosambotra. 7 ny olona nanaparitaka vaovao nandraisan’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka fepetra. 4 ny raharaha mandeha, ka 3 nampidirina am-ponja vonjimaika, 3 afaka madiodio. Ho an’ny Zandarimariam-pirenena, dia 9 ny tranga nanokafana fanadihadiana. 8 no mbola mandeha io fanadihadiana sy fitiliana atao noho ny kaonty “fake”, ary iray efa tratra, fa nomena fahafahana vonjimaika. Samborina ihany koa ny mpanaparitaka (partage) ny vaovao tsy marina. Ny tena goavana dia homena tambiny na “prime” 5 tapitrisa ariary izay afaka manome vaovao mikasika ilay vehivavy nanao ilay feo niely tamin’ny tambajotra “facebook”. Nilaza moa izy io fa efa 200 mahery no voa eto Antananarivo ary 70 ny any Toamasina, ary nambarany fa maty ihany koa ilay tovovavy 19 taona isan’ireo telo voamarina fa voa voalohany. Nitonona ho mpanao gazety, ary naneho fa rarana mafy ny tsy hamoahana io isa io. Tsy nasiany fanovana ny feony, ka inoana fa tokony ho fantatra, hoy ny Minisitry ny serasera. Ao anaty “Etat d’urgence” isika fa tsy mitovy amin’ny andavanandro, hoy ny fampahatsiahivany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana