Dans la mme rubrique

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanàna iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

22/05/2020

Tsy nampiasana ny CVO ireo olona roa namoy ny ainy noho ny coronavirus, raha ny seraseram-panjakana.

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fihibohana andro fahaefatra Maro ireo nifamezivezy, nitohana ny fifamoivoizana

27/03/2020

Nahomby ny paikady napetraka hatreto nifehezana an’ity valanaretina ity, hoy ny filoha Andry Rajoelina, ny alarobia alina raha namintina ny fivoaran’ity

 

valanaretina ity, ka tsy nahitana tranga vaovao tamin’ireo fitiliana natao, fa nijanona ho 19 ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus, ary efa raisin’ny fanjakana an-tanana manontolo ny fitsaboana azy ireo etsy amin’ny hopitaly manarapenitra Andohatapenaka sy ny amin’ny CHU Anosiala Ambohidratrimo. Omaly alakamisy dia nisy no efa nandray izany fa vita ny fihibohana na " Confinement ". Nisy mihitsy ireo no nilaza fa "Veloma Coronavirus" hany ka lasa mivoaka ny ankamaroan` ny olona sy mamerina ny fiainana an-davanandro. Etsy ankilany dia nisy ireo fepetra no riaisna amin` izao fametrahana fahamehana ara-pahasalamana izao saingy rah any zavatra nisy teto an-drenivohitra omaly dia maro be ihany koa ireo fivarotana zavatra tsy ilaina amin'ny fiainana andavan'andro no misokatra toy ny “vulca” na koa “quincaillerie”... Marihana amin’ny 4 aprily izao no ahafahana mandrefy ny fifehezana an’ity coronavirus ity araka ny namabaran` ny filoham-pirenena. ary averina hatao fitiliana avokoa ireo rehetra avy any ivelany, tonga tamin'ireo sidina farany tonga teto Madagasikara. Tsara ny manamarika fa miisa 4 indray ireo voan` ny COVID-19 omaly. Tsy ny filazana fa hoe tsy misy tranga voamarina dia resy ny coronavirus. Any ivelany dia hary fomba kokoa ny fitaovana sady voaaraka tsara ny fepetra rehetra nefa dia mbola anarivony ny tranga isan’andro ary an-jatony maro ny maty. Ny eto amintsika kosa ireny iaraha-mahita ireny ny zava-misy : tsy tana ny olona fa mbola mivoaka ny trano foana ; tsy voahaja ilay 1 metatra ; adinodino ny manasa tanana... Mila mailo ny olom-pirenena ary mila manaraka toromarika hatrany mba hisorohana ny loza.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana