Dans la mme rubrique

Fanitsiana ny tetibolam-panjakana Vonon-kihaino ny sehatra tsy mainkina ireo parlemantera

11/05/2020

“55%n` ny harinkarena faobe (PIB) dia hiantohan` ny sehatra tsy miankina dia ny ambiny ny sehatra miankina amin` ny fanjakana sy ireosehatra tsy ara-dalàna” araka ny nambaran` ny minisitry ny toekarena sy ny vola.

Fanitsiana ny tetibolam-panjakana Vonon-kihaino ny sehatra tsy mainkina ireo parlemantera

Hamaky ny tohiny...

Mangingina a

10/03/2020

Toa mangingina,sa mikotrika zavatra tsy ampoizina? Misy resabe tiana hajanona, sa misy vaovao tiana hovoizina? Tsy hay intsony fa izay angamba ilay politika Tsy ankiteny ny marina fa tsy maintsy be fikafika.

Mangingina a

Hamaky ny tohiny...

Tsy hatao tandrametaka kosa e

06/02/2020

Miraradraraka ny IST na ny tsy fahazoana mivoaka Asa inona no antony fa dia gaga izahay vahoaka ? Sa ho fisorohana ny tsy ahavoa an'ilay areti-mandringana ? Sao hevi-politika, mifono fingampingana ?

Tsy hatao tandrametaka kosa e

Hamaky ny tohiny...

Miandrandra fivoarana

31/01/2020

Fomba fijery samy manana ny azy Fitondrana firenena tsy kilalao na vazivazy Izay tsara nataon'ny teo aloha aoka mba hitohy Ary ireo fomba ratsy kosa , ario , fongaro tsy hisy intsony.

Miandrandra fivoarana

Hamaky ny tohiny...

Hafatra

18/09/2019

Ho anareo mpifaninana ho ben'ny tanàna anio Antananarivo madio, no tanjona ka tadidio

Hafatra

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Tsy laizina mihitsy

11/09/2019

Dia ahoana ry Jean a ! Tsy laizina mihitsy ianareo ity a! Tena izany no hoe vao lasa mihitsy ve ilay olona dia miverina ny ratsy fanao?

Taratasin’i Jean Tsy laizina mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mihaingo ambony tsikoko

05/09/2019

Dia ho sanatria ve mihaingo ambony tsikoko foana ? Mody milaza voky nefa farofy sy tena noana. Fihatsaram-belatsihy tsy misy fiafarany no efa mahazatra Takonana lava ny ratsy mba ampisehoana izay tsara

Mihaingo ambony tsikoko

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Amboary tsara !

27/03/2020

Mino aho fa salama tsara ianareo ry jean isany ; tena ady tokoa ity hatrehana eto amin’ny tanana ity e.Na ny manodidina aza tonga dia hita hoe hafahafa be ihany fa tsy tahaka ny mahazatra.Azoko sary an-tsaina fa miasa

 

andro aman’alina ianareo .Fantatro koa anefa fa ianareo no tompom-pahefana ary tena efa manjaka tokana amin’izao zava-misy izao.Tsy hoe be loha izahay aty ambany ravin-kazo aty fa mahafantatra tsara ilay olana…saingy izao ry jean a.Mba teneno ihany ireo mpiara-miasa aminao fa matetika anie misy resaka mifanipaka e.Fantatrao tsara ihany koa fa misy foana ireo mahery fihetsika ka mandray an-tendrony baiko omenao.Ny olona anie ry jean ka tena sahirana e, kanefa boriborianareo fotsiny ny resaka hoe : folo andro sisa, sivy andro sisa..fa i Ramaria mpanasa lamba anie mifoha amin’ny 4 maraina mandeha an-tongotra lavidavitra ihany miasa efa ho adin’ny 10 vao mba mahita 5 arivo kely e.I Radofa mpanao soudure, efa mikaikaika mihitsy fa hoe maina be ny tsena.Ry Gista resevera, milalao tanana fotsiny sisa…ny telefaonina vava efa hitanao ihany eto amin’ny tanana fa haingana lavitra noho ny fibre optique.Tsy azonao sakanana tsy hiresaka ny olona.Fa mba hafaingano ny serasera tena izy sy milatsaka tsara any am-parahatoky ny vahoaka fa aza hanaovana ramatahora jean a..efa fambara zavatra anie ireny hetsiky ry Kama tany atsinanana ireny e; misy zavatra mila jerenareo akaiky jean a.Marina fa efa niresaka tamin’ireo patrbe ianareo ary nifandamina.Fa ny ny bandy aty anaty pista anie ka tsy mahatakatra an’izany e,kajy tsotra ny an’ireo :mahita kandra kely izy, mibatabata na manosika sarety dia mba misy dite sy kafe arahana mofo sira maivana.Tsy hoe mafy be ka tsy laitran’aretina fa efa tena be laotra kosa anie ry jean izay fampanantenana izay e; mitady tsy hino intsony ny olona.Tena amboary marina a, dieny mbola tsy misy manita-tsaina.Mirary soa jean a !

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana