Dans la męme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fihibohan’ny olombelona Manadio ny tontolo iainana

27/03/2020

Tao anatin` izay dimy andro nihibohana izay dia maro no nahatsikaritra fa niova ny rivotra iainana eto an-drenivohitra.

 

Nihena mantsy ireo fiara na moto mifamezivezy ary tsapa ny vokatsoan’izany. Tafahoatra loatra ny fahalotoan'ny rivotra eto Antananarivo araka ny fanadihadiana nataon'ny mpikaroka momba ny tontolo iainana, ny volana oktobra lasa teo, ary voasokajy ho tanàna faharoa maloto rivotra indrindra maneran-tany ny renivohitr’i Madagasikara. Nahatratra 230 microgramme ny tahan` ny fahalotoan` ny rivotra tamin` ny faritra sasany volana vitsivitsy lasa izay raha 50 microgramme no tokony ho izy, hoy ny avy amin` ny ao amin` ny ivon-toeram-pirenena momba ny siansa sy ny teknika (INSTN). Antony maro no miteraka ny fahalotoan` ny rivotra aty an-dRenivohitra. Mety mitombo ny isan` ny mpanamboatra lalana izay miteraka fitohan` ny fifamoivoizana be loatra amin` ny faritra sasany. Ny setroky ny fiara rahateo no tena mandoto ny rivotra. Misy karazana kodiaran-droa mahatonga izany ihany koa anefa. Misy ireo orinasa mampiasa “Chaudière”, izay anisan` ny mahatonga ny loto eto Antananarivo. Ny rano maloto koa mikoriana eny amoron-dàlana dia feno maloto avy any an-tranon’olona fa tsy misy mandeha intsony ny lakan-drano. Miparitaka ny diky eny rehetra eny. Ny any ambany tanàna dia mifangaro amin’ny maloto isan-karazany ny vahoaka ka raha tsy ranon-dolana no mameno ny tanàna dia fotaka marihitry ny fako no diavina rehefa mivoaka sy miditra ny tanàna sy hatrany an-tokan-trano. Izany koa dia mandoto tanteraka ny tontolo iainana.

Fiovana

Ankehitriny anefa Mahatsapa ny besinimaro fa tena madio ny rivotra iainana eto Antananarivo taorian’ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana. Tsy eto Madagasikara ihany fa na any ivelany dia samy naneho izay fanamarihana izay. Any Venise Italia, ohatra dia niverina tamin’ny lokony fahiny ny rano tao aminy. Folo andro taorian` ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana tany Italia noho ny COVID-19 dia nadio ny rano tao aminy. Maro ihany koa ireo ranomasina no lasa madio satria tsy azon` ny sambo atao no mifamezivezy aminà firenena nanidy sisin-tany. Na dia miteraka voka-dratsy amin` ny zanak`olombelona aza ny COVID-19 dia namelombelona ny  natiora , ary tena voaporofo fa ny olombelona sy ny asany no manimba ny lamina voajanahary
Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana