Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mitombo ny tarehimarika 26 mianadahy no voan’ny Coronavirus

28/03/2020

Tranga iray vaovao no voamarina omaly maraina, niampy olona roa hafa izany ny tolakandro manome ny isa ho 26, voan’ny Coronavirus eto Madagasikara

 

 

 

araka ny tatitry ny mpitondra tenin’ny CCO Covid 19 Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle. Omaly, dia 4 tamin’ireo no misy soritr’aretina: iray mitaraina reraka, ny iray manakotsako ny vatany iray manontolo, ny iray mikoha-maina fa nampiseho trangan’aretina sarotra sempotra ary efa nanomboka nihatsara ny fahasalamany omaly. Efa misitraka ilay fanafody manokana izy ireo. Tsy “cas importé”, tsy tao anatin’ireo olona tonga tamin’ny zotram-piaramanidina avy any ivelany, ny iray tamin’ireo voatily fa « positif » ireo fa olona teto Madagasikara foana hatramin’ny volana desambra 2019 , fantatra kosa anefa fa nifampikasoka tamin’izy ireo izay avy any ivelany. Tokony vao mainka hampahery sy hahatonga saina amin’ny fanajana ny tsy fivoahan’ny trano izany, hoy io manam-pahaizana amin’ny fitsaboana io. Mbola misy rahateo no toa tsy resy lahatra na mihevitra fa tsy misy ny coronavirus. Manomboka mampitsangam-bolo anefa ity toe-javatra ity satria hafa mihitsy tsy toy ny fandre isan’andro hoe: tao anatin’ny fiaramanidina avy tany amin’ny firenena efa misy ny coronavirus. Aza mihinankinana fanafody tsy avy amin’ny dokotera fa saropady izany, ary vao mainka manimba zavatra, hoy ny toromarika nataony. Nambarany fa nisy tokoa ilay resaka hoe nisy marary tany Fianarantsoa, izay efa tonga eto Antananarivo, arahi-maso akaiky ara-pahasalamana. Hatao ny fitiliana, ary hambara tsy ho ela ny valiny, hoy io Minisitra io.Marihana tsara fa tsy voatery misy soritr’aretina avy hatrany ny olona voan’ny Coronavirus fa mety andro vitsivitsy aty aoriana vao manomboka hafahafa, miankina amin’ny toe-batana sy ny hery fiarovan’ny olona tsirairay ilay izy. Ny laharana maitso 913 no antsoina haingana raha vao misy tranga mmampiahihahy. Mitohy hatrany moa, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra eny amin’ny CCO Covd 19 Ivato ny fitiliana ireo olona tonga avy any ivelany, sy ny fanadihadiana ireo olona nifanerasera na nifampikasoka tamin’izy ireo.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana