Dans la męme rubrique

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

10/08/2020

Namoaka fanambarana ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka fa maro ireo toeram-pitsaboina sy hopitaly tsy miankina milaza fa manao fitiliana momba ny valanaretina Covid 19.

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

10/08/2020

Olona 13 no lavon’ny coronavirus tao anatin’ny 48ora farany satria 6 ny sabotsy teo (03 Analamanga, 02 Vakinankaratra, 01 Matsiatra Ambony), ary 7 kosa omaly alahady (05 Analamanga, 01 Betsiboka, 01 Matsiatra Ambony).

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

10/08/2020

Tonga omaly 9 aogositra 2020 teny amin'ny seranam-piaramanidina Bani Ivato ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo "concentrateurs d'oxygène" sy ireo "lunettes nasales à oxygène".

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

Hamaky ny tohiny...

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

10/08/2020

Nitarina 15 andro ny fahamehana ara-pahasalamana. Ny Didim-panjakana laharana faha-2020-890 tamin’ny 08 aogositra 2020 no manambara

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

10/08/2020

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

Hamaky ny tohiny...

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

10/08/2020

Miisa 148 ny olona maty teto. Latsaky ny 1% ny olona maty, izay midika fa ambany ny taham-pahafatesana mitaha amin’ny firenena maneran-tany. Aty Afrika, dia 2% eo manerana an’i Afrika, raha toa ka 3,8% maneran-tany.

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tezitra ny fanjakana Nohenjanina ny fifehezana ny vahoaka

28/03/2020

Tsapa fa toa ohatry ny andavanandro nahazatra ihany ny zava-misy, ka tsy maintsy raisina ny fepetra, hamafisina ny fanaraha-maso, havoaka ny mpitandro filaminana rehetra.

 

 Na mandeha tongotra na mandeha fiara, dia hosavaina avokoa hoe: iza no manana fahazoan-dàlana manokana, hoy ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid 19 Razafimahefa Tianarivelo omaly . Nisy iny olona iray tsy nandeha fiaramanidina iny efa voa, fa misy ihany koa ny fitiliana efa hatao amin’ireo olona hafa tsy avy any ivelany, fa ireo nifampikasoka taminy. Na nahakasika ny varavarana noraisin’ireo voa aza, dia efa hifindrany. Mijanona any an-trano, harovy ny zaza fa aza avela hivoaka hilalao. Tsy izay nandeha fiaramanidina ihany, tsy izay nifampikasoka taminy, fa ny olon-tsotra rehetra dia mety efa misy mitondra an’io. Mijanona any an-trano fa tsy mety mihitsy ny mivoaka ny trano, hoy ny minisitry ny atitany nanentana. Tany Faratsiho sy Antananarivo nisy tokantrano saika norotahan’ny olona, hoy ny fitantaran’ity minisitra ity; aoka hazava tsara, hoy izy fa tsy voatery hitondra ny valan’aretina ireny olona tsidihana ireny fa fanaraha-maso no atao, ka aoka hitandrina isika fa tsy taitaitra. Matoa misy fiara tonga ao, dia tsy hoe marary ireny olona ireny fa tan-tsoroka no atao aminy. Raha misy olona ahiana, dia mijanona eny an-trano. Adala sy tsy mieritreritra ve isika hoe andao vonoina ilay olona ao, hoy ny fanontaniana napetrany. Aoka koa izay ny fampielezana tsaho hanakorontanana saim-bahoaka hoy ny minisita Tianarivelo Razafmahefa : eny amin’ny hopitaly dia tsy maintsy misy ny teraka, ary misy ny maty, fa izay maty tsy voatery ho matin’ny coronavirus foana. Misy olona marary tsotra na matin’ny loza dia lazaina fa coronavirus. Vaovao ofisialy henoina fa aza manaiky akorontana  amin’ny facebook,hoy izy. Manana ny OMS manara-maso izao tontolo izao isika, ka tsy afaka ny handainga. Isika rehefa handraisana fepetra dia mimenomenona. Rehefa tsy afaka ny hifampitaiza tsotra anefa dia tsy maintsy raisina ny andraikitra hoy ny minisitry ny atitany. Efa nahazo baiko hentitra ka tsy hisangisangy amin’ireo mbola tsy manaja ny lamina napetraka ny mpitandro filaminana, hoy izy.Omaly tolakandro ihany moa dia efa nihatra ireo fepetra henjana ireo ka nipoaka ny lakrimozenina nanaparitahana ny olona nitangorona teny Anosizato sy nanerena azy ireo hody.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana