Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fianarantsoa Misy olona iray nahiana ho voan’ny Coronavirus

28/03/2020

Taorian’ny fanibohana ireo olona miisa 8 nambaran’ny filoham-pirenena fa niaradia tamin’ireo olona mitondra otrikaretina hita tao Fianarantsoa dia ramatoa

 

 

1 hafa noho ireo no nampahafantarin’ny eo anivon’ny OMC ao an-toerana omaly fa tena ahiana ho mararin’ny Coronavirus satria dia 100 %, ny soritr’aretina na “symptome” hita teny amin’ity ramatoa ity. Ny 14 martsa teo no tonga avy any Norvezy ity ramatoa ity ary nentin’ny vadiny tany amin’ny CSB Ankofafa. Profesora miandraikitra ny areti-mifindra no nanao ny fitiliana nohon’ny fiahiahiana. Nahiboka tao amin’ny hopitaly Andrainjato ity marary ity sy ny ankohonany, izany hoe izy 6 mianaka, taorian’ny nahitana ny soritr’aretina ny harivan’ny 26 martsa teo. Tamin’io andro io, tamin’ny 5 ora hariva, raha ny fampahafantaran’ny governoran’I Matsiatra ambony, Lova Harivelo Razafindrafito, no nahatongavan’izy ireo tao an-toerana. Raha ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra kosa dia efa nifanerasera tamin’olona 36 izy ireo tao anatin’izay fotoana izay. Miankina amin’ny vokatry ny fitiliana avy aty Antananarivo anio no hanapahan’ireo tompon’andraikitra ao an-toerana ny amin’ny mety hirosoana amin’ny fihibohana tanteraka ho an’ireo mponina. Raha ny vaovao farany moa dia efa tonga eto Antananarivo ary efa noraisina an-tanana ity olona iray avy any Fianarantsoa ity.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana