Dans la mme rubrique

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

25/05/2020

Tafiakatra 527 ny olona tratry ny coronavirus ho an’i Madagasikara nanomboka ny 19 martsa. 69 ny singa notilian’ny IPM teto an-dRenivohitra izay nitambatra tao na ny teto Antananarivo na ny avy any Toamasina, ka olona 10 tamin’ireo no voa, izay avy any Antsinana avokoa.

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanàna iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

CORONAVIRUS MANERAN-TANY Maneran-tany Olona 3,3 Miliara tsy mivoaka ny trano

30/03/2020

Tafiakatra 31 412 ny maty maneran-tany amin’izao fotoana izao, ary 652 000 kosa ny mitondra ny tsimok’aretina ka firenena 183 no efa rakotra. 128 000 ireo marary efa sitrana.

 

 

Any Eoropa no ahitana ny 300 000 voa sy ny 19 000 mahery tamin’ny maty. I Italie hatrany no mitana ny lohalaharana amin’izay isan’ny maty izay efa tafiakatra 10 023. I Etazonia no ahitana olona voa be indrindra miisa 124 000. Olombelona hatrany amin’ny 3,38 miliara amina firenena manodidina ny 80 no namoahan’ny mpitondra azy fepetra tsy hivoaka ny trano fonenany, manome ny 43% amin’ny mponina eto ambonin’ny tany, izay efa mahatratra 7,9 miliara any ho any amin’izao fotoana izao, araka ny tombana nataon’ny Firenena Mikambana.

 

 

MANOMBOKA HITA NY FANAFODY

 Nambaran’ny Pr Didier Raoult, Talen’ny IHU Méditerranée Infection fa olona 1003 no manaraka fitsaboana amin’ny alalan’ny Protocole nataon’izy ireo dia ny hydroxychloroquine-azithromycine. Tao anatin’ny herinandro, dia 16 506 no nanaovana fitiliana. Tamin’ireo 1003 notsaboina, dia iray ihany ny maty dia lehilahy lehibe efa 86 taona. Misy ihany koa ny olona iray efa 70 taona ao amin’ny fameloman’aina. Na teo aza ny fanambaran’ny minisitry ny fahasalamana Frantsay, Olivier Véran izay nihevitra tany am-boalohany fa ireo tena voa mafy ihany no hampiasana an’io protocole io, saingy nampiasain’ny IHU tamin’ireo rehetra marary.

 

ESPAGNE

838 indray no maty tao anatin’ny 24 ora

 

Tafiakatra 838 ny maty tany Espagne tao anatin’ny 24 ora, ary efa 6528 ny fitambaran’ireo maty hatramin’izay, hoy ny fanambaran’ny minisitry fahasalamana any an-toerana. Mahatratra 78 797 ireo olona voa, izay nisy fitomboana 9,1%. Mitombo andro aman’alina ny isan’ny olona voa sy maty, fa na izany aza dia mba mitombo ihany koa ny tahan’ny fahasitranana izay nahatratra 19,7% tao anatin’ny 24ora satria olona 14 709 no sitrana.

PAYS-BAS:

 Mihazakazaka ihany koa ny isan’ny maty

 

Raha ny an-dry zareo Frantsay, dia mahatratra 2314 ny antontan’isa amin’izao fotoana izao. Mihoatra ny 10 000 kosa no voa any Pays-Bas izay manana mponina 17 tapitrisa. Miakatra tsikelikely ny isan’ny maty izay 771 omaly, ary 10 866 ireo voamarina fa efa voa, araka ny tatitra nataon’ny Ivon-toerana momba ny fahasalamam-bahoaka any an-toerana omaly alahady.

 

CANADA

Sitrana ny vadin’ny Praiminisitra

 

Ny sabotsy hariva teo no nanao fanambarana Rtoa Sophie Grégoire-Trudeau vadin’ny Praiminisitra Kanadianina Justin Trudeau, fa naharay ny valin’ny fitsirihana ara-pahasalamana azy, ka nambaran’ny dokoterany eo anivon’ny Fahasalamam-bahoaka ao Ottawa fa tomombana tsara ny fahasalamany. Ny 12 martsa moa Rtoa Sophie Grégoire mpanentana malaza tamina fahitalavitra fahiny ary 44 taona amin’izao fotoana izao no voamarina fa tratry ny Coronavirus taorian’ny diany tany Londres.

 

AUSTRALIE

Mahazo vahana ny herisetra ao an-tokantrano

 

Vola mitetina 150 tapitrisa dolara Aostralianina (82 tapitrisa Euros) no natokan’ny Governemanta any Australie hiadiana amin’ny herisetra ao an-tokantrano, izay tena nahazo vahana be nanomboka tamin’ny nisian’ny krizin’ny coronavirus. Nambaran’ny Praiminisitra Scott Morrison fa tafiditra ao anatin’ny drafitra hanampiana ny sehatry ny fahasalamana mitentina 1,1 miliara Aostralianina io.

 

 

ALLEMAGNE

Namono tena noho ny tebiteby ilay minisitra

 

 Namono tena ny Minisi-paritra misahana ny Vola any Hesse Allemagne, dia Atoa Thomas Schaefer. Ny sabotsy teo no nahitana ny fatiny teo amina lalamby. Nanana ahiahy sy tebiteby lalina manoloana ny fitotonganana ara-toekarena ateraky ny coronavirus ity minisitra ity, hoy ny Praiminisitra. 10 taona no nitanany andraikitra lehibe ara-bola tao Francfort misy ny ivon-toerana ara-bola Alemàna, izay misy ny Ivon’ny Banky Foibe Eoropeanina sy ny Banky Alémana. Niasa andro aman’alina ity minisitra ity mba hanampiana ny orinasa ho afaka miaina amin’ny zava-misy eo anatrehan’ny areti-mandringana coronavirus. Tsy zakany intsony anefa ny adin-tsaina hoe: ahoana no hanarenana ny toekarena, hany ka naleony ny tenany no novonoiny. Tranga hafakely izay sady mampahonena no mampalahelo ity.

 

Nangonin’I Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana