Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Pr Lova Randriamanantsoa “Mety ho lasa poizina ny Chloroquine…”

30/03/2020

Isan’ireo mpitsabo nitondra fanazavana mikasika ny tokony ho atao sy tsy atao mikasika ny fisorohana sy fitsaboana ny aretina Coronavirus ny Pr Lova Randriamanantsoa,

 

 

izay tale misahana ny hopitaly manara-penitra etsy Andohatapenaka, izany hoe anisan’ireo tompon’andraikitra mivantana amin’ny fitsaboana ny mararin’ny coronavirus eto Madagasikara. Marina, hoy ny tenany, fa isan’ny efa nahitana fahombiazana amin’ny fitsaboana ny COVID 19 toy ny tao Frantsa ny fampiasana ny Chloroquine sy ny Cydronicine, izay samy fanafody nitsaboantsika ireo aretina efa nandalo teto Madagasikara koa toy ny tazo izany. Miainga avy amin’ireo fanafody miisa 2 ireo koa amin’izao fotoana izao no hanaovan’ny manampahaizana malagasy fikarohana izay ho fanefitry ny COVID 19. Mety miaro anao ireo fanafody 2 ireo raha toa ka tena aorian’ny fidiran’ny Coronavirus ao anatinao tokoa no hihinananao azy saingy raha tsy voan’ny Coronavirus akory ianao no mihinana izany dia mety ho lasa poizina izany, hoy ny fanazavany. Mety hapanano-sarotra ny tena fitsaboana koa ny fahadisoana eo amin’ny fandraisana ireo fanafody ireo satria tonga amin’ilay antsoin’ny frantsay hoe “dose cumulée” ka mety tsy handaitra intsony avy eo ny tena fampifangaroan’ny mpitsabo ireo fanafody 2 ireo amin’ny tena fitsaboana fa araka ilay voalaza teo dia mety ho lasa poizina aza izany. Ny mety dia aleo manatona mpitsabo hatrany, hoy izy, raha misy tsy metimety ka ny dokotera no manoratra ny fanafody hohanina miaraka amin’ny fatrany. Mikasika izay fitsaboana ny COVID 19 izay hatrany moa dia nanambara ny tenany fa eo amin’ny 28 andro nitsaboana no antenaina fa mety ho sitrana ny marary.

 

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana