Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fanampiana ho an’ny sahirana Aterina isam-baravarana manomboka izao

31/03/2020

Nanova paikady ny Fitondram-panjakana amin’izao herinandro niainana ao anatin’ny ady amin’ny fihanaky ny coronavirus izao.

 

 

Ho an’ilay opération Tsinjo entina hanampiana ireo sahirana ara-pivelomana manokana dia fantatra fa aterina isam-baravarana izany manomboka izao raha teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena eny Mahamasina no nizarana ny fanampiana nanomboka ny herinandro teo. Ny “Centre de commandement opérationnel” eny Ivato no handrindra izany miaraka amin’ny Fokontany ka ireto farany indray miaraka amin’ny lisitra milaza ireo tokantrano tena sahirana eny anivon’ny fokontany no hitsinjara izany isam-baravarana . Tanjona ny hisorohana ilay filaharam-be hita isan’andro eny Mahamasina izay tsy manaja ilay elanelana 1 metatra akory noho ny fahamaizan’ny tsirairay. Afaka mihiboka avokoa ny rehetra noho izany no sady tsy ho voan’ilay aretina coronavirus satria tsy mivoaka ny trano. Na izany aza anefa dia fantatra fa mbola hiainga eny Mahamasina hatrany izany fanampiana izany. Mikasika ny Ministry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy Rtoa Naharimamy Irmah kosa indray dia fantatra fa efa nanomboka nandray ny asany omaly ny tenany, taorian’ilay fihibohana tsy maintsy nataony nandritra ny 15 andro noho ny fivoahana tany ivelany iray volana latsaka lasa izay.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana