Dans la mme rubrique

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mpivaro-damba etsy Analakely Tena mafy loha ve sa nanome kely ?

01/04/2020

Ny mpivarotra akanjo sy fripery sy ny mitovitovy amin’izany dia tsy mahazo misokatra satria ao anatin’ireo filana maika.

 

Ny mpivarotra sakafo sy « épiceries » ihany no afaka manao misojatra; tena mazava ny didy navoakan’ny fanjakana. Tsy izay anefa no miseho etsy Analakely. Ahoana ireo mpivarotra lamba sy fripery izay mbola mivarotra soa aman-tsara, afovoan-tanana be. Tsy hitan'ny kaominina Antananarivo mihitsy ve sa sanatria efa nametraka kely tany ho any dia havela malalaka sy hodian-tsy hita? Adala ve ny rehetra manaiky ny lamina na mafy sy mangidy aza ny mampitsahatra tsy fidiny ny asa fihariana? Ahoana raha hanao ny ataony ihany koa ny hafa raha hotazanim-potsiny ny fandikan-dalàna toa izao? Aiza ny tompon’andraikitra samihafa eo anatrehan’ireny? Misy fahefam-panjakana ara-dalàna eto, saingy toa tsy tena mahafehy vahoaka raha tarafina amin’izao. Na izany aza, izay tokoa angamba etsy andaniny no tonga amin’ilay fanehoan-kevitra hoe: rehefa misy fanapahana lehibe miantraika amin’ny besinimaro dia tokony hisy vahaolana mifandraika amin’izany (mésure d’accompagnement). Ny zavatra hita eto anefa, dia ny rehetra no mizaka ny mafy, kanefa ampahan’olona no mahazo tambiny sy tohana, hany ka misy ny mibirioka. Mila atao tahaka ny tery omby ririnina, ka atao izay tsy hahabotry ny reniny sy ny hahafaty ny zanany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana