Dans la mme rubrique

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

CORONAVIRUS MANERAN-TANY Maneran-tany 4000 mahery ny maty tao anatin’ny 24 ora

01/04/2020

Raha notaterintsika teto omaly fa 35 905 ireo matin’ny coronavirus maneran-tany, dia tafiakatra efa tafiakatra 40 057 indray io, izany hoe 4156 tao anatin’ny iray andro monja ny fitomboana, ary lojika sy heverina ho mbola nihoatra an’io aza.

 

 

Ny firenena Italianina no mitana ny lohalaharana amin’ny maty be indrindra satria efa tafiakatra 12 428 izany amin’izao fotoana izao. Maherin’ny 800 000 ireo olona voa eto ambonin’ny tany.

 

 Maorisy sy Mayotte

 Miisa 5 ireo maty

Tafiakatra 4 ny olona maty tatsy amin’ny Nosy Maorisy, izay efa tapa-bolana teo ho eo izay ny roa ary tranga vaovao ny roa ambiny. Tafiakatra 143 ireo voamarina fa mitondra ny Covid-19 ao amin’ity nosikely tsy lavitra antsika ity, ka ny 16 amin’ireo dia tranga vaovao hita omaly. Miisa 94 kosa ireo trangan’aretina voamarina atsy amin’ny nosy Mayotte. Nanao fanambarana ny tomponandraikitra ara-pahasalamana ao an-toerana omaly, fa nisy olona iray matin’ity Covid-19 tao amin’ity nosy ity ao anatin’ny departemanta Frantsay ity. Io no fahafatesana voalohany tany an-toerana. Tany Tanzania ihany koa dia omaly no nisy olona maty voalohany, raha toa ka 19 ireo voamarina fa mitondra ny Covid-19 amin’izao fotoana izao.

Espagne, France, Royaume-Uni

1729 no maty tao anatin’ny andro iray

 

Tafiakatra 849 no namoy ny ainy tany Espagne tao anatin’ny 24 ora, ka manome ny tambatr’isa 8 189 ho an’ireo namoy ny ainy tao amin’ity firenena ity. I Espagne rahateo no laharana faharoa amin’ny firenena be maty indrindra. Ho an’ny tany Frantsa kosa dia 499 no isan’ny maty tao anatin’ny iray andro ihany koa, ka tafiakatra 3523 ireo namoy ny ainy hatramin’izay, ary 5564 mahery ao amin’ny sampana fameloman’aina n any “reanimation”. Mbola any Eoropa ihany, dia 381 no maty tao anatin’ny 24ora, ka manome ny isa ho 1789.

 

Belgique

Tovovavikely 12 taona maty

 Tovovavikely vao 12 taona no namoy ny ainy tany Belgique omaly. Tranga sokajiana ho tsy dia fahita na “rare” ho an’ny salan-taona tahaka izany. Tranga tsy dia fahita saingy tsy azo nihodivirana, hoy I Emmanuel André mpitondra tenin’ny manam-pahefana. Telo andro izay no nisy fanaviana izy ary voamarina fa voan’ny covid-19, hoy ny fanazavana. Vao andro vitsy izay no nisy ilay tovovavikely antsoina hoe Julie vao 16 taona no namoy ny ainy tany Frantsa, ary ity izany ny tranga faharoa mitovitovy amin’izany.

 

Valan’aretina

Haharitra hatramin’ny faran’ny taona ?

Miketrika hanana fahaleovantena feno sy manontolo I Lafrantsa amin’ny tapim-bava hiatrehana ny coronavirus. Manomboka izao hatramin’ny faran’ny taona, dia kendrena ho ny fireneny ihany no hamokatra ny tapim-bava ho azy ireo, hoy ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron omaly. Amin’ny faran’ny aprily dia hahavita tapim-bava sy “respirateurs” 10 tapitrisa izy ireo ary hampitomboina ny ezaka, raha ny nambaran’i Emmanuel Macron raha nitsidika ny orinasa iray dia ny Kolmi-Hopen any amin’ny faritr’i Angers ny tenany. Marihina fa nanafatra tamin’ny sinoa ny Frantsay. Ny mampametra-panontaniana dia hoe: mihevitra ve ny Frantsay na ny firenen-dehibe hafa fa mbola haharitra hatrany amin’ny faran’ny taona vao tena ho fongana na voafehy sy misy vahaolana mafonja sy azo tsapain-tànana ny coronavirus?

 

INDE

Sazy hafakely, tsy an-kitsitsy

Tao anatin’ny herinandro dia maherin’ny 1 miliara ny Indianina tsy mihiboka, tsy afaka mivoaka ny trano mba hisorohana ny fipariahan’ny coronavirus. Mba hanajana izany, dia mampiasa hery mihitsy ny mpitandro filaminana. Miteraka adihevitra satria mety higadra herintaona an-tranomaizina ny olona tsy manaja ny fihibohana. Asaina mandady na “à quatre pattes” tahaka ny saka na alika. Asaina manao paompy, ary darohan’ny polisy amin’ny “baton”. Aiza ho aiza amin’izany ny aty Madagasikara?

 

 

 

CAN 2021:

Tsy miova ny fandaharam-potoana hatreto

 

Mitsahatra tanteraka ny fanatanjahantena amin’izao fotoana izao. Tena ao anatin’ny fotoan-tsarotra, hoy ny Filohan’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra Ahmad. Nanao fandalinana ny CAF, ary manaraka ny toromariky ny OMS, hoy izy tamina fampahalalam-baovao vahiny iray. Tsy maintsy nahantona ny fifanintsanana hiakarana amin’ny CAN 2021 tokony natao tamin’iny faran’ny martsa iny. Miandry ny fivoaran’ny coronavirus, fa amin’izao fotoana hitenenako izao aloha, dia mbola voatazona ho amin’ny janoary-febroary 2021 ho avy io ny CAN 2021, hoy I Ahmad, izay eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

 

Nangonin’i Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana