Dans la męme rubrique

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Covid-19 Mihamafy ny fiantraikany ara-toekarena

01/04/2020

Miova isan’andro ny toe-draharaha! Mitotongana hatrany ny toekarena manerana izao tontolo izao. Raha ny any Frantsa dmanokana ia voafaritra

 

 

hatrany amin’ny 60 miliara Euros isam-bolana ny fatiantoka vokatry ny fihibohana an-trano. 5,7 tapitrisa ny mpiasa tsy maintsy niato tamin’ny asany araka ny fanadihadiana nataon’ny sampam-pikarohana OFCE any an-toerana. Ny any Etazonia ihany koa dia tsy mitsahatra mitombo ny isan’ireo tsy miasa ankehitriny ary miaina anaty krizy tanteraka ny firenena Amerikana. Misy mihitsy ny drafitra novolavolain’izy ireo mahakasika ny fitotonganan’ny orinasa mba hijerena manokana ny vahoaka indrindra manoloana ny fahaverezan’asa marobe. Tsiahivina fa efa mihoatran’ny 100 000 ireo voan’ny aretina coronavirus any Amerika amin’izao fotoana izao ary efa nihoarany indray aza Sina sy Italia. Mahakasika ny Harinkarena faobe dia manary isa 30 (30 points) isam-bolana i Frantsa taorian’ny fepetra tsy fivoahana an-trano izay manome fatiantoka 2,6% isan-taona. Anton’izany ny fitotonganan’ny fanjifan’ny isan-tokantrano, ny fahapotehan’ny sehatra fandraharahana sy ny asa famokarana rehetra. Manampy trotraka ny krizy manerantany ihany koa ny fidarabohan’ny sehatra fizahantany izay manary vola amina miliara maro isam-bolana. Tsy maintsy ho mafy ny fiantraikany eto Madagasikara ary andrasana ny akon’izany rehetra izany. Saingy maika kosa aloha ny fiarovana ny ain’ny vahoaka ary ilaina ny fanarahana ny fepetra apetraky ny fitondram-panjakana.

Tsirinasolo

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana