Dans la mme rubrique

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

10/08/2020

Namoaka fanambarana ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka fa maro ireo toeram-pitsaboina sy hopitaly tsy miankina milaza fa manao fitiliana momba ny valanaretina Covid 19.

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

10/08/2020

Olona 13 no lavon’ny coronavirus tao anatin’ny 48ora farany satria 6 ny sabotsy teo (03 Analamanga, 02 Vakinankaratra, 01 Matsiatra Ambony), ary 7 kosa omaly alahady (05 Analamanga, 01 Betsiboka, 01 Matsiatra Ambony).

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

10/08/2020

Tonga omaly 9 aogositra 2020 teny amin'ny seranam-piaramanidina Bani Ivato ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo "concentrateurs d'oxygène" sy ireo "lunettes nasales à oxygène".

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

Hamaky ny tohiny...

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

10/08/2020

Nitarina 15 andro ny fahamehana ara-pahasalamana. Ny Didim-panjakana laharana faha-2020-890 tamin’ny 08 aogositra 2020 no manambara

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

10/08/2020

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

Hamaky ny tohiny...

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

10/08/2020

Miisa 148 ny olona maty teto. Latsaky ny 1% ny olona maty, izay midika fa ambany ny taham-pahafatesana mitaha amin’ny firenena maneran-tany. Aty Afrika, dia 2% eo manerana an’i Afrika, raha toa ka 3,8% maneran-tany.

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus Madagascar Olona 59 no voa, tsy mbola misy ny sitrana

03/04/2020

Misy an’ireo olona efa mitondra ny tsimok’aretina natao TDR 11. Nisy tamin’ireo site 50, toy hotely, CNaPS, ka 11 ireo voamarina fa voa

 

 

. Tsy maintsy natokana aloha, ka ny 6 no vita fitiliana tany amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM), ka ny 3 ireo no voamarina fa “positif”. Nisy tany an-trano ary nisy tamin’ny toerana manokana fa samy nanao fanekena hitoka-monina. Nisy ny natao TDR tany an-tranony sy ny nanokanana azy, ary nisy ny natao teny amin’ny CCI sy ny Jumbo Score. Niampy iray omaly, ary 4 ilay nolazain’ny filoham-pirenena ny alarobia ariva teo, ka 59 ny isan’ny olona voatily sy voamarina fa tena tratry ny Covid 19 tamin’ny alalan’ny fitiliana Ilay iray omaly tamin’ny mitatao vovovonana dia tovovavy Malagasy 19 taona, izay vokatry ny fifampikasoana nahavoa azy, mipetraka eny Isotry. Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana no nahafahana namantatra azy satria efa nisy ireo olona efa namindrana vazaha nitady ravintsara teny an-toetrana, izay raha ny fanazavan’ny Filoham-pirenena dia namindra tamin’ilay mpivarotra sy zaza 13 taona. Mampanahy tanteraka izany, ary ahiana ho mbola misy olon-kafa mety nifampikasoka tamin’izy ireo miriaria any. Ny zava-dehibe mampieritretritra sy mampandray andraikitra, dia efa miparitaka eny amin’ny fiarahamonina ireo olona, ary efa fantatra hoe: taiza ny toerana nalehan’ireo vazaha, hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.Tsy misoritra eny amin’ny endrika ny Coronavirus, ka nanentana ny rehetra ho mailo sy tsy hovoaka ny trano, ny Pr Vololontiana. Hatreto 59 no voatily sy voamarina. Ny 52 dia tao anatin’ny “cas importés”, ny 7 olona teto an-toerana ihany, nifanerasera tamin’ireo vahiny.

MBOLA MIANDRY NY FILAZAM-PAHASITRANANA

 Ny 4 afak’omaly, dia 3 tamin’ny TDR “positif” nalefa teny amin’ny IPM: Vahiny 74 taona, lehilahy 64 taona Malagasy, lehilahy 64 taona Malagasy, ary farany dia tsy TDR no nahitana azy fa izy dia mpandeha avy amin’ny AF 939 tonga ny 19 martsa 2020, vehivavy Malagasy 50 taona. “Cas contact” iray, ary “cas importés” miisa 3; 47 tsy misy soritr’aretina ivelany. Tsy misy soritr’aretina ivelany, fa kosa mbola arahi-maso izy ireo fa ho avy ny fotoana satria misy ny “critères de guérison” na ny mason-tsivana ara-pahasitranana hahafahany miverina eny amin’ny fiaraha-monina. Ireo 12, dia ny 4 no misy fahaseporana izay tena atahorana amin’ny Covid. Efa nesorina ny oxygène ho an’ireo sempotra ireo, ary nisy nihatsara sy salama araka ny “scanner”, saingy mbola tsy afaka miteny hoe sitrana. Mbola miandry fitiliana hafa vao azo lazaina fa sitrana. Ny hafa kosa mangorangorana, manavy,… ary mitohy ny fanaraha-maso ara-pahasalamana sy ny fitsaboana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana