Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

New York - Etazonia Olona iray isaky ny 3 minitra no matin’ny Coronavirus

03/04/2020

Mandripaka tanteraka ny aretina “coronavirus” ao Etazonia. New York no foibeny izao fotoana izao.

 

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ireo namoy ny ainy amin` izao ary tombanana ho olona iray no maty isaky ny telo minitra izany. Tsy mitsaha mivezivezy ireo “ambulance”eraky ny tanana. Manoloana ireo hopitaly indray dia efa miantsoana eo avokoa ireo fiara manokana misy vata-fampangatsihana (camions réfrigérés) hitondra ireo faty any amin` ireo toerana hanitrihana azy ireo. Manahy amin` ny hoaviny ny mponina miisa 12 tapitrisa ao New York amin`ny fitomboan` ny salan` isan` ireo maty. Raha ny tatitra farany dia miisa 3 424 ireo namoy ny ainy tao Etazonia ka ny ankamaroany ao New York. Nanamafy izany ny teratany Malagasy iray monina any an-toerana nampita ny vaovao. Hoy indrindra izy : “Mila raisina matotra io aretina io. Tanàna tahaka an’i New York mijafajafa tratran`ny coronavirus ka ahoana ny amin`i Madagasikara? Toa an` ny Zombie land ny arabe aty New York”. Tsara ho fantatry ny rehetra fa misy ny fahavalo mamono sy mandripaka eo amin` ny firenena. Ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miombona no tena zava-dehibe voalaohany ahazoantsika mandresy ny fahavalo tsy hita maso. Amin` ny alalan` ny fanarahana ireo fitsipika sy fepetra apetraka izany: ny fahadiovana, ny fanajana ny elanelana. Raha misy ny aretina, manatona avy hatrany ny mpitsabo.Ny somary mahagaga amin’ity raharaha ity, efa izany ny zavamisy any Etazonia , ny eto Madagasikara tsy misy maty ary tsy misy ahiana ny ain’ireo marary hatreto araka ny tatitry ny tompon’andraikitra fa mbola aleon’ny Amerikana ihany miala eto ary miverina any Etazonia.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana