Dans la męme rubrique

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

10/08/2020

Namoaka fanambarana ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka fa maro ireo toeram-pitsaboina sy hopitaly tsy miankina milaza fa manao fitiliana momba ny valanaretina Covid 19.

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

10/08/2020

Olona 13 no lavon’ny coronavirus tao anatin’ny 48ora farany satria 6 ny sabotsy teo (03 Analamanga, 02 Vakinankaratra, 01 Matsiatra Ambony), ary 7 kosa omaly alahady (05 Analamanga, 01 Betsiboka, 01 Matsiatra Ambony).

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

10/08/2020

Tonga omaly 9 aogositra 2020 teny amin'ny seranam-piaramanidina Bani Ivato ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo "concentrateurs d'oxygène" sy ireo "lunettes nasales à oxygène".

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

Hamaky ny tohiny...

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

10/08/2020

Nitarina 15 andro ny fahamehana ara-pahasalamana. Ny Didim-panjakana laharana faha-2020-890 tamin’ny 08 aogositra 2020 no manambara

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

10/08/2020

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

Hamaky ny tohiny...

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

10/08/2020

Miisa 148 ny olona maty teto. Latsaky ny 1% ny olona maty, izay midika fa ambany ny taham-pahafatesana mitaha amin’ny firenena maneran-tany. Aty Afrika, dia 2% eo manerana an’i Afrika, raha toa ka 3,8% maneran-tany.

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tahotry ny loza mety hitranga Naleon` ny teratany vahiny miala an’i Madagasikara

03/04/2020

Mitohy hatrany ny fampodiana teratany vahiny monina eto Madagasikara ataon` ireo firenena maro.

 

 

 

Na dia efa niato ireo sidina iraisam-pirenena dia misy hatrany ireo fiaramanidina manokana  tonga eny amin`ny seranam-piaramanidina Ivato maka ireo teratany vahiny mody an-tanindrazany. Noraofin’ny Amerikana ny olony izay mbola tavela teto Madagasikara. Fiaramanidina Boeing lehibe iray izay an’ny kaompania Kalitta Air no nigadona teny Ivato ary naka ireo mpandeha izay miisa 120, ny alin’ny alatsinainy teo. Tsy vao ity firenena ity irery no naka ny olony teto raha vao fantatra fa tonga ny coronavirus. Ny talata 31 martsa indray dia teratany Koreanina Tatsimo miisa 26 no nandao an’i Madagasikara. Nanofa fiaramanidina manokana ny ambasady Koreanina Tatsimo sy firenena vitsivitsy ka izay no nahafahan’ireo vahiny ireo niala teto raha ny fampitam-baovao nataon’ny ambasadin’i Korea Atsimo eto amintsika. Raha tsiahivina, ny 04 aprily izao dia hisy ihany koa sidina manokana avy amin` ny zotra Air France hitondra ireo Frantsay sy Eoropeana maniry ny hody any aminy. Raha ny fanadihadiana natao, mirohatra hamonjy io sidina io ireo teratany vahiny na dia natokana indrindra ho an` ireo vahiny nitsidika an` I Madagasikara aza izany. Teratany vahiny maro, indrindra ireo tomponà orinasa, anefa no tena manao famandrihana toerana faran’izay haingana. Misy moa ireo orinasa vahiny no tsy nampihatra ny “télé-travail” vao nanomboka ny fihibohana fa tsy nasaina niasa fotsiny ireo mpiasa . M.S, mpiasa aminà orinasa “call center” iray dia nanambara hoe “androany alakamisy (nldr: omaly) aho no nasain` ny orinasa iasako haka ireo fitaovana ilaina fa hiroso amin` ny télé-travail. Mahagaga izany, hoy izy, satria raha ny tetiandro nambaran` ny filoham-pirenena dia amin` ny 04 aprily izao no tokony ho tapitra ny fihibohana kanefa izao izahay vao nasaina niakatra fa hoe hanomboka ny télé-travail. Tsy voafaritra ny fotoana hiverenana miasa any am-piasana”. Raha jerena amin’ny fijery hafa dia efa ratsy ho an’izy ireo ny zava-misy eto amin’ny nosy matoa nalainy ny olony.

 

 Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana