Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Marary miisa 3 ao Ambatovy Ao an-toerana ihany no tsaboina sy araha-maso

03/04/2020

Nampahatsiahy omaly ny orinasa Ambatovy fa nampahafantarina ny orinasa ny 31 martsa hariva, ny fisiana mpiasan’izy ireo miisa telo an’ny “sous-traitant” na mpiara-miombon’antoka ao aminy.

 

 

 

Efa tao anatin’ny fitokana-monina 14 andro ireto mpiasa ireto, araka ny fepetra napetraky ny Fanjakana Malagasy, raha natao fitiliana ny 26 martsa. Efa natoka-monina izy ireo ankehitriny, ary hatreto dia tsy ahitana soritraretina ary salama tsara. Arahin’ny mpitsabo ao Ambatovy maso akaiky ireto tranga telo ireto, ny orinasa rahateo dia manana rafim-pitsaboana ampy sy avo lenta hitsaboana izay marary eo an-toerana. Mifandray tsy tapaka amin’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana ao an-toerana ny orinasa mikasika ireo tranga telo ireo, mba hifanaraka amin’ny ezaka atao manerana ny Nosy ny zavatra ataon’ny orinasa. Manohy mampihatra fepetra hentitra hatrany Ambatovy ho fitandroana ny fahasalamana sy ny arolozan’ny mpiasa sy ny fianakaviany manerana ny orinasa. Isan’izany ny fampiharana hentitra ny elanelana amin’ny olona hifaneraserana sy ny fampiharana ireo fomba fanao sy fepetra amin’ny fahadiovana, ary ny fametrahana « gel désinfectant » any anatin’ireo fiara fitaterana mpiasa sy any amin’ny toeram-piasana rehetra. Amin’izao fotoana izao dia miasa avy any an-trano ny ankamaroan’ny mpiasan’Ambatovy mba hampihenana ny isan’ny mpiasa any amin’ny ozinina , hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana