Dans la mme rubrique

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

25/05/2020

Tafiakatra 527 ny olona tratry ny coronavirus ho an’i Madagasikara nanomboka ny 19 martsa. 69 ny singa notilian’ny IPM teto an-dRenivohitra izay nitambatra tao na ny teto Antananarivo na ny avy any Toamasina, ka olona 10 tamin’ireo no voa, izay avy any Antsinana avokoa.

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanàna iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

CORONAVIRUS MANERAN-TANY Maneran-tany

04/04/2020

6000 ny maty tao anatin’ny iray andro 1 056 000 ny olona voa, ary 56 000 hatramin’ny omaly, izany hoe nisy fitomboana 6000 teo tao anatin’ny 24 ora.

 

 Any Eoropa hatrany no tena mampihazakazaka be indrindra ny isan’ny maty sy marary, na dia i Etazonia aza no voasokajy ho firenena ahitana olona voa be indrindra satria maherin’ny 257 000 no marary any. Tafiakatra 14 681 maty ho an’i Italie izay mitana ny laharana voalohany. Maherin’ny 117 000 ny tranga any an-toerana, ary 30 000 kosa no efa sitrana, tafavoaka velona. 10 935 kosa ny maty ho an’ny laharana faharoa, dia zareo Espaniola, izay tafiakatra 935 ny maty omaly. Any Eoropa ihany dia efa 6507 no maty any Frantsa, ka ny 588 tamin’ireo dia tao anatin’ny 24 ora.

 

ROYAUME-UNI

Hiditra an-tsehatra ny mpanjaka Elisabeth II

 

684 ny maty tao anatin’ny iray andro tany Royaume-Uni, izay mampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatrizay ho 3605, raha toa ka 38 168 no olona voamarina fa efa voa. Io 684 io no isa maty betsaka indrindra tao anatin’ny iray andro hatramin’izay na “nouveau record”. Ny alarobia teo dia 563 ary 569 ny alakamisy. Nosokafana omaly moa ny hopitaly lehibe iray ao Londres izay misy fandriana 4000. Raha toa ka nohalavaina noho ny fihibohana ho an’ny Praiminisitra Borris Johnson izay tratry ny Covid-19, dia hiditra an-tsehatra hiteny amin’ny fahita lavitra hitondra hafatra ho an’ny Britanika sy ireo firenena ao anatin’ny Commonwealth ny mpanjakavavy Elisabeth II rahampitso alahady, araka ny fanambarana avy ao amin’ny Lapam-panjakana Buckingham omaly. Io no fidirana an-tsehatra tsy ara-potoana faha-4 ataon’ity mpanjaka ity, izay efa 68 taona nanjakana.

SARY: Elisabeth II

Sekretera jeneralin’ny ONU

“Ho avy ny ratsy kokoa noho izao”

 

Ho avy ny ratsy kokoa noho izao na hoe: “le pire est encore à venir”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana Antonio Guterres omaly zoma, nanao antso avo manokana sy nampitanrina an’ireo tany mbola misy ady. Isan’ny noresahany manokana I Lybie izay misy ady, kanefa nisy iray voamarina fa matin’ny coronavirus ary, olona no voamarina fa efa voa. Niantso ny hampitsaharana ny ady manerana izao tontolo izao ny tenany mba hamondronana hery hisakanana ny fivoaran’ny Covid-19. “Misy ny vintana sy ny herijika lehibe hisian’ny fandriampahalemana amin’izay, kanefa mbola lavitra izany isika”. Ny filàna izao no maika, ary ny Covid-19 dia efa tonga eo an-tokontanin’ny toerana misy ny ady. Tena ahariharin’ny Covid-19 hoe hatraiza ny hafainganany miditra ao amina tany iray sy hamotika ny firenena sy hanimba ny fiainana ao, hoy io lohany ao amin’ny ONU io, izay mbola nanamafy hatrany an’ilay hoe: “Le pire est encore à venir”!

 

Toekarena maneran-tany

4100 miliara dolara ny fitotonganana

 

 Nitotongana tanteraka ny sehatra tsy miankina ao anatin’ny faritra Eorpa na ny “zone euro” eo amin’ny tontolon’ny asa, hoy ny Cabinet Markit. Araka ny fanadihadian’ny Banky Asiatika momba ny fampandrosoana, dia mety hahatratra 2000 hatramin’ny 4100 miliara dolara ny tomban’ny krizy ara-toekarena vokatry ny coronavirus, izay manome 2,3 hatramin’ny 4,8% amin’ny harin-karena faobe na ny PIB maneran-tany. Tsy mbola tafiditra ao anatin’izany ny krizy ara-tsosialy sy ara-bola goavana, ary indrindra ny voka-dratsy mety haharitra eo lafiny ara-pahasalamana sy ara-panabeazana. Ho an’ny Kaominisionina Eoropeanina, dia nisy ny soso-kevitra hanokanana drafi-panarenam-pirenena sy iraisam-pirenena ka hanaovana tohana ho an’ny tontolon’ny asa mitentina 100 miliara dolara.

 

Frantsa

Gadra 6266 navoaka

 

Gadra 6266 no navoaka ny fonja tany Frantsa teo anelanelan’ny 16 martsa sy ny 01 aprily, araka ny fanambaran’ny Minisiteran’ny fitsarana any an-toerana omaly. Antony ny fampihenana ny fivangongoana ao am-ponja hisorohana ny fipariahan’ny coronavirus. Ny 01 aprily dia 66 309 ny olona tazonina amin’ireo fonja 188 manerana an’I Frantsa raha toa ka 72 575 izany tany amin’ny 16 martsa. Somary nihena rahateo ny asam-pitsarana izay nampihena ny olona vaovao tazonina am-ponja, ary teo ihany koa ny fanafahana mialohan’ny fotoana. Mahatratra 6507 ny isan’ny maty tany Frantsa hatramin’ny omaly. Ny any Frantsa dia io ny fepetra, fa manao ny fitakiana tahaka izany dia ny hampihenana ireo marefo, beantitra,… ao am-ponja amin’i Madagasikara ihany koa ny Amnesty International.

 

Andrana ara-pitsaboana:

 Hery fiarovan’ireo sitrana hatsindrona amin’ny marary

 

Efa nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo ny nanaovana ity andrana ity, ary andrasana ny valin’ny mety ho fahombiazany na tsia. Ao amin’ny hopitaly Saint-Antoine any Parisy ampian’ny EFS (Etablissement Français de Sang) no hanaovana azy. Raisina ny hery fiarovana na “anticorps” an’ireo olona efa sitrana naharesy ny coronavirus ary hatsindrona amin’ireo marary. “covid plasma” no iantsoana ity fandalinana ara-pitsaboana na “etude clinique” ity. Manao fanentanana amin’ny Frantsay mba tsy hikely soroka amin’ny fanomezan-dra moa ny EFS any Frantsa amin’izao.

 

Nangonin’I Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana