Dans la męme rubrique

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

27/05/2020

“Tsy isaky miteny dia lazaina fa mirediredy na mpanohitra bontolo. Tsara ho fantatra, ekena fa nahazo ny maro an` isa ny fanjakana tamin` ny fifidianana solombavambahoaka na filoham-pirenena,

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

Hamaky ny tohiny...

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

27/05/2020

Niampy 44 be izao ny trangana covid-19 araka ny tatitra omaly, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 586. Fitiliana 162 no nataon’ny HJRA, ka ny 12 tamin’ireo no voamarina fa voan’ny covid-19.

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

Hamaky ny tohiny...

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

27/05/2020

Mba hahafahana mandresy ny aretina COVID 19 hatramin’ny farany dia nahita hevitra vaovao ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

Hamaky ny tohiny...

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

27/05/2020

Misy risika be sy mety hanova ny fihetsiky ny olona ny fandevenana olona matin’ny covid-19 toa fandevenana olona matin’ny pesta ity tahaka izao, indrindra ity rodorodo be sy toa fampisehoan-kery ity.

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Amnesty International Mila halalahana ny fonja

04/04/2020

Miisa 28 000 ireo voafonja eto Madagasikara araka ny tatitra farany tamin` ny volana jona 2019.

 

 

 

Izany hoe avo telo heny noho izay tokony ho zakan’ireo fotodrafitrasa misy eto. Andro vitsy lasa izay, dia nametraka fepetra ny governemanta entina hiarovana ireo voafonja amin` ny “coronavirus”. Tsy ampy izany, hoy ny Amnesty International, raha nandefa taratasy misokatra mangataka fanalefahana sazin`ireo voatazona vonjimaika am-ponja izy. Mba ahafahana misoroka ny fihanaky ny aretina any amin` ireo fonja diso feno loatra, ny fanjakana dia nanambara fa haato ny famangiana an` ireo voafonja. Tsy ampy izany ary hitera-doza eo amin`ny lafiny ara-tsaina ho an` ireo voafonja, hoy Tamara Léger, mpikaroka eo anivon` ny Amnesty International. Mitaky famoahana ireo voafonja sasany izy mba hisorohana ny loza ara-pahasalamana. “50% mahery amin` ireo voafonja eto Madagasikara dia voatazona vonjimaika (MD). Izany hoe mbola tsy voaheloka eo anatrehan` ny lalàna. Tsy vitan` ny hoe voatazona amam-bolana na aman-taonany mihitsy aza fa mbola tsizarizary ny tontolo iainanany. Amin` izao dia tsy afaka mifanerasera amin` ny fianakaviany sy ny mpisolovava azy izy ireo. Noho izany, tsy maintsy omena fahafahana farany izay haingana ireo voafonja sasany izay tsy loza mitatao ho an` ny fiaraha-monina. Tsy afaka mitsotra izy ireo rehefa matory, ohatra any Manakara. Ahoana no ahafahana tsy hieriretritra amin`ny fihanakin` ny COVID-19 raha tsy afaka hatoka-monina izy ireo? Tsy azo ekena intsony izany amin` izao. Tsy afaka misitraka rano fisotro madio sy fitaovana ahafahana miaro-tena ihany koa. Farany, dia sarotra inoana ny ahafahana hitondra ireo voafonja any amin` ny hopitaly ara-potoana satria maro ny fonja no tsy manana fiara akory” hoy hatrany ny fanazavany.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana