Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Miha maro ny « Cas contact » Tafiakatra 70 ny voan’ny coronavirus

04/04/2020

Mihamaro isa ireo olona voan’ny Coronavirus avy amin’ny fifampikasohana na « cas contact »

 

 

Nisy tranga 6 voatily fa mitondra ny Covid 19 araka ny tatitra avy amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM). Ireo dia “cas contact” na fifampikasohana tamin’ireo olona namindran’ireo vazaha avokoa. 4 tamin’ireo dia lehilahy 49, 47, 19, 16 taona, ary 2 vehivavy izay 20 sy 14 taona. Tsy misy soritra aretina avokoa izy 6 rahateo. Taorian’ireo tranga vaovao 6 ireo, dia tafiakatra 65 ny totaliben’ireo olona voaporofo fa mitondra ny Covid-19 eto Madagasikara. Ny 12 amin’izy ireo ihany no misy soritr’aretina, ny 4 tamin’ireo no nisehoana fahaseporana. Efa tsy mila “oxygène” intsony izy ireo, fa efa azo antoka ny fahasalamany, ny fiasan’ny fitaovam-pisefoany, hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Misy ankizy anankiroa, izay salama tsy misy atahorana. Ny olona nifanerasera taminy dia mbola mandeha ny fikarohana. Na ireo nisy soritr’aretina ivelany na tsia, dia mbola velon’aina avokoa izy ireo. Mahazo ny fitsaboana sahazo azy ireto marary ireto. Efa vita ny fanokana-monina sy ny fitiliana ireo avy any ivelany, izay efa hita ny vokatra. Hifantoka misimisy kokoa amin’ny fidinana ifotony noho ny fisiana fifampikasohana, hoy izy omaly atoandro. Nilaza kosa ny filoha Rajoelina ny hariva fa, 70 no isan’ny olona mitondra ny Covid-19. 5 eto Antananarivo, ary 6 avy any Fianarantsoa, ka manome ny isan’ny voamarina rehetra omaly fa voa ho 11. Ny teto Antananarivo dia 1 amin’izy 5 no nandeha tamin’ny zotra avy any Frantsa tonga teto. Efa nisy soritr’aretina hita taminy. Ny 4 kosa dia “cas contact”. Ilay vazaha mpizahatany nanao asa soa tany Ambatomanga, ka voa ny vehivavy iray nanampy azy. Efa narary tao amin’ny Hopitaly Ambatomanga izy no nakarina taty Antananarivo, araka ny fanazavana. Lehilahy 43 taona, 23 taona efa nisy soritr’aretina ka nankeny amin’ny Hopitaly Befelatanana, lehilahy 52 taona natao TDR.

Fitiliana faobe sy fanadihadiana

Ny teto Antananarivo, dia ilay tranga ho an’ilay mpampianatra teny amin’ny LMA monina eny Isotry. Nandray mpivady teratany vahiny. Ny natao omaly, dia nanidy ilay tanàna. Nodiovina ny tanàna sy ny tokontany, ary natao fitiliana ireo olona. 224 ny fitiliana teny Bekiraro izay “negatif” avokoa. Tafiakatra 235 ny fitiliana, saingy nadio taloha. Ny tany Fianarantsoa, dia tao Lalangina sy Andohasana, ary namindra tamin’ireo olona izay akaiky azy. Olona 15 no natao fitiliana, ka 6 no nitondra ny covid 19. Handefa borigady hanao fanadihadiana sy fitiliana any Ambatomanga ny fanjakana, ary hisy ihany koa ny iraka alefa any Fianarantsoa amin’ity anio ity izay ho tarihan’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fahasalamana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana