Dans la męme rubrique

Elakelan-tranon’Ambanidia Misy mangalatra mivarotra hatramin’ny 7 ora hariva

18/07/2020

Velon-taraina ny mponina eny Ambanidia izay monina eo anelakelan’ny tsena sy ny mpaompy manoloana ny afitsoky ny mpivarotra amina « Epicerie » iray eny an-toerana.

Elakelan-tranon’Ambanidia Misy mangalatra mivarotra hatramin’ny 7 ora hariva

Hamaky ny tohiny...

Secren Antsiranana Nalefa « congé » ny androatokon’ny mpiasa

16/07/2020

Mihodina saingy manao « service minimum » ny orinasa Secren ao Antsiranana manomboka anio, nalefa « congé payé » ny androatokon’ny mpiasa.

Secren Antsiranana Nalefa « congé » ny androatokon’ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Kamanja - Anjozorobe Faty mifatotra tongotra aman-tanana hita tao anaty rano

16/07/2020

Lehilahy tokony iray, 38 taona, no hita faty tao amin’ny reniranon’i Mananara, mandalo ao atsimo andrefan’ny tanànan’Ankadivory Fokontany Kamanja, Distrika Anjozorobe.

Kamanja - Anjozorobe Faty mifatotra tongotra aman-tanana hita tao anaty rano

Hamaky ny tohiny...

Amborovy-Mahajanga Nahitana faty efa tena simba

16/07/2020

Fatin-dehilahy iray, efa tena simba, no hitan’ny olona teo amin'ny morontsiraka Maroala Fokontany Amborovy, Mahajanga.

Amborovy-Mahajanga Nahitana faty efa tena simba

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Ambatovy Miantso vonjy ireo mpiasa mbola mihiboka

16/07/2020

Mangataka ny mba hahafahany mivoaka sy mirihariha ety ivelany amin’izay ireo mpiasa miisa 40 mbola tavela ao amin’ny orinasa Ambatovy any Toamasina. Efa

Orinasa Ambatovy Miantso vonjy ireo mpiasa mbola mihiboka

Hamaky ny tohiny...

Sabotsy Namehana Ho taterina amin’ny fiara manokana ireo mpandray “pension”

15/07/2020

Ho fitsinjovana ireo beantitra handray ny fisotroan-drononony ao amin’ny sampana fandraisana izany ao Analamahitsy, kaominin’I Sabotsy Namehana, dia naampahafantra ny fiadidiana ity kaominina ity fa hisy ny fiara manokana amin’ny alalan’itony

Sabotsy Namehana Ho taterina amin’ny fiara manokana ireo mpandray “pension”

Hamaky ny tohiny...

Antanambao I Toamasina Mangataka ny hanalana ny sefom-pokontany ny mponina

15/07/2020

Nitokona ny mponina tao Antanambao I Toamasina omaly. Tsy mankasitraka ny hanohizan’ny sefom-pokontany ao an-toerana ny asany intsony mantsy izy ireo.

Antanambao I Toamasina Mangataka ny hanalana ny sefom-pokontany ny mponina

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

04/04/2020

Tena marobe ireo olona manararaotra izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao.

 

Lohalaharana amin’ireny ny mpivarotra izay mahavita mampiaka-bidy avo roa heny ny entana hamidiny eny an-tsena mihitsy ny sasany. Misy amin’izy ireny no manana vidin’entana karazany roa ka rehefa tsy misy tompon’andraikitra sy mpanara-maso ahiana handalo dia hatao amin’ilay tena midangana izany. Rehefa amin’ny fotoana mety hisian’ny fidinana ifotony kosa dia mandeha amin’ny vidiny ara-dalàna izany, toy ny hita eny amin’ny kaominina Andranonahoatra distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Raha vantany vao mandalo mantsy ny Ben’ny tanàna Rasamson Haja dia midina ny vidin’entana saingy rehefa dify kosa izy dia miaritra izay misy eo ny vahoaka. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa voafehy hatrany amin’ny 80 %-n’ny vidin’entana ao amin’ny kaominina iadidiany. Nomarihiny manokana moa fa tsy mandray olona mihitsy hatreto ny kaominina. Efa misy kosa ny lamina napetraka raha sanatria misy olona mamoy ny ainy na manana olana eny anivon’ny Fokontany. Tsy eny Andranonahoatra ihany no nandrenesana tranga tahaka izao fa amina tsena maro ; efa mailo ireo mpivarotra ary mifampandre raha vao miala any ny mpanara-maso avy amin’ny kaominina na ny ministeran’ny varotra.Matetika mora fantatra izy ireo satria misy soratra ny fiara entiny.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana