Dans la męme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tombatombana 2 tapitrisa Nitondra fanamarihana ny OMS

04/04/2020

Manoloana ireo vaovao nivoaka tamin` ireo haino aman-jery samihafa mahakasika ny drafitra nasionaly iatrehana ny COVID-19,

 

 

 dia nitondra fanamarihana ny OMS, sampandraharaha misahana ny fahasalamana eo anivon` ny firenena mikambana. Araka ny OMS, dia drafitra fifanarahana arak`asa eo amin'ny Governemanta sy ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena mba hanomezana valiny mahomby amin` ny fiomanana sy fandrindrana ny valan'aretina Covid-19 ilay drafitra nasionaly (Plan de contingence national). "Ireo vinavinan'asa izay natao dia manondro ny zava-misy ka izay ho lafin-ratsy no naminavinana ireo tranga mba ahafahana mametraka paikady. Nanombanana ny hoe 2 tapitrisa no ho voakasik` ny valan’aretina ka anisan` izany ny sehatry ny toekarana sy sosialy raha tsy misy ny fidirana an-tsehatra ataon` ireo tompon’andraikitra. Tsy midika mihitsy izany hoe olona 2 tapitrisa no ho voan` ny « coronavirus » araka ny voalaza tao amin'ny Madagascar Tribune " hoy ny fampitam-baovao. Ny OMS dia mamporisika ny mponina hanaraka ireo tolo-kevitra entina hanoherana ny fianaky ny « coronavirus » amin`ny fanarahana toromarika apetraky ny governemanta toy ny fametrahana barazy ara-pahasalamana sy ny fitandroana ny fidiovana.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana