Dans la męme rubrique

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

29/05/2020

Nijery ifotony ny fanamboarana eny amin’ny Rova i Marc Ravalomanana omaly maraina ary nanao fandaharana manokana ny hariva.

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

Hamaky ny tohiny...

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

29/05/2020

Tsy mitsipaka ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny Covid 19 izahay, hoy ny kandida ho solombavambahoaka teo aloha sady solontenan’ny zanak’I Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

29/05/2020

Efa fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary efa nifampiresaha nivantana tamin'ireo Tangalamena sy Olobe taty an-toerana,

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

29/05/2020

Nanao tatitra mahakasika ny asany nanoloana ireo solombavambahoaka ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta miantsoroka ny fandriampahalemana omaly.

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

Hamaky ny tohiny...

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

29/05/2020

Manana ny andraikiny voafaritry ny lalana ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM. Voafaritra ao amin’ny 2016 – 027 fa miandraikitra ny mba tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena izahay, hoy ny filohany, Maka Alphonse.

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

28/05/2020

“Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 mey 2020 no fotoanantsika”, hoy ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

Hamaky ny tohiny...

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

28/05/2020

Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny hijoroana mpanohitra ara-pomba demokratika dia efa voalazan’ny lalam-panorenana. Efa nisy dingana goavana nametrahana azy io ny taona 2011, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, nanazava ny fahitany ny mampitarazoka ny raharaha ankehitriny.

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

06/04/2020

Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;

 

 

 mitohy 15 andro ny fepetra manokana fahamehana ara-pahasalamana.Koa  noho izany mbola mikatona avokoa ireto toerana manaraka ireto :sekoly , oniversite, fiangonana, trano fandihizana , karaoke, toeram-pilanonana sy izay toerana rehetra mety hitarika fivoriana na fitangoronana.Raràna ny fivoriana na fitangoronana misy olona mihoatra ny 50, tahaka ny fetim-pianakaviana ohatra…mitohy ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina manomboka amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina.Avela hamonjy fodiana kosa anefa ireo olona tavela eto an-drenivohitra tokony ho any amin’ny faritra na any amin’ny faritra ka handeha aty an-drenivohitra.Afaka mamonjy ny toeram-piantsonana misy sy miasa izy ireo manomboka ny talata 7 ka hatramin’ny alakamisy 9 aprily amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora atoandro.Tsy maintsy manao aro vava ary manasa tanana matetika, misy ny fitaovana apetraka hanatanterahana izany.Hiverina ao anatina fotona voafetra ihany koa dia ny tala 7 ka hatramin’ny alakamisy 9 aprily ny zotram-piaramanidina anatiny mampitohy an’Antananarivo amin’i Mahajanga, Tolagnaro, Toliara, Nosy be, Morondava, Antsiranana. 72 ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara ankehitriny, fa ny 2 kosa no efa sitrana. 32 vehivavy, 40 lehilahy, ka 51 avy any ivelany, ary ny 21 dia vokatry ny fifampikasohana. 4 any Fianarantsoa, 2 any Lalangina, 10 eto Antananarivo, 10 any Toamasina.

Tsy maintsy manao aro vava

Niha mafy kosa ny fepetra ampiharina ho an’Analamanga, Matsiatra ambony ary Atsinanana izay faritra 3 ahitana ireo mararin’ny Coronavirus.Mbola tsy miasa ny fitateram-bahoaka rehetra : taksibrosy, taksi, taksibe, afaka mandeha kosa ireo fiara mitondra entana,Apetraka ny sakana ara-pahasalamana.Mijanona ao an-trano ny olombelona rehetra, tsy maintsy manao aro vava kosa ireo izay tsy maintsy mivoaka ny trano noho ny antony manokana sy tena tsy azo hanoharana. Entanina ireo izay misy soritr’aretina rehetra hanantona ny toeram-pitsaboana. Hampitomboina ny toeram-panasana tànana.

 

 

Komity Loharano

Nambaran’ny filoham-pirenena omaly fa hapetraka eny amin’ny Fokontany ny Komity “Loharano” handrindra ny fizarana ny vatsy hatolotry ny fanjakana eny anivon’ny fiarahamonina. Miainga eny ny lamin’asa hoentina miady amin’ny aretina sy hahafahana mametraka ny rindra sy lamim-piarahamonina vaovao. Ahitana olona 6 isaky ny secteur eny amin’ny fokontany izy ity. Olona marina sy mahitsy eny anivon’ny fokontany no ilaina. Hiarahana mametraka amin’ny ben’ny tanàna, lehiben’ny distrika, ny sefo fokontany io.Hatramin’ny 19 aprily izao no mihatra ireo fepetra rehetra notanisaina ireo. Miatrika ady lehibe sy fahavalo tsy hita maso isika izao ,hoy ny filoha Rajoelina, fahavalo izay loza avo 100 heny noho ny rivodoza koa tsy maintsy mailo sy hentitra ka izany no nandraisana ireo fepetra rehetra ireo ho fiarovana ny aina.

 

Toky R sy RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana